"Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso dia tena andro fitsaharana masina ho an 'i Jehovah; koa manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina.". Eks. 16:23.
Mofon’aina:
Hita fa indroa heny ny habetsaky ny mana nomena tamin'ny andro fahenina, ary nanangona indroan'ny vata ornera avy ny olona. Rehefa nahita izany nataon'ny olona izany ireo lohan'ny fiangonana, dia nampahafantatra faingana an'i Mosesy momba ity fandikana mazava ny toromarika nomeny ity. Saingy izao no navalin'i Mosesy azy: "Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso dia tena andro fitsaharana masina ho an'i Jehovah; koa manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina." — Eks. 16:23. Dia nataon'izy ireo tokoa izany, ary hitany fa tsy nasiso izany na notehirizina ho tra-maraina aza. Ary hoy Mosesy: "Hano ireny anio, fa Sabata ho an'i Jehovah anio, ka anio no tsy hahitanareo azy any an-tsaha. Henemana no hanangonanareo azy; fa Sabata ny andro fahafito, ka dia tsy hisy amin'izany." — Eks. 16:25,26.
Tsy latsa-danja noho ny tamin'ny fotoana nanomezany ireo toromarika manokana voalaza ireo ho an'ny Zanak' Isiraely ny mahasarotiny ny Tompo ankehitriny mikasika ny Sabatany. (...) Izay manao tsirambina ny fiomanana amin'ny andro fahenina ho amin'ny Sabata dia naman'ny mandika ny didy fahefatra sy ny lalàn'Andriamanitra. Noraran'Andriamanitra ny fandrahoana sy ny fampangotrahana sakafo amin'ny andro Sabata rehefa nanome toromarika ny Isiraelita Izy. Tokony handray izany fandrarana izany ho fitsipika lehibe avy amin'i Jehôvah koa izay rehetra mitandrina ny Sabata. Tsy tian'ny Tompo hanaram-po amin'ny hatendan-kanina mantsy ny vahoakany mandritra ny Sabata, izay andro natokany ho amin'ny fandinihan-tena masina sy ny fanompoam-pivavahana. (...)
Nitsinjo sy naneho fitiavana lehibe ny vahoakany Andriamanitra tamin'ny nandrotsahany ny mana avy any an-danitra ho azy ireo. "Ny fihinan'ny mahery no nohanin'ny olona" (Sal. 78:25a); izany hoe ny anjely no nanome azy ireo izany. (...) Rehefa novokisana tsara tamin'izany ny vahoaka dia nahatsiaro menatra noho ny tsy finoany sy ny fimonomononany, ka nampanantena fa hatoky an'i Jehôvah amin'ny hoavy. — ST, 15 Avrily 1880.