«Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan 'Andriamanitra tamin 'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy.» - Gen. 2:3.
Mofon’aina:
Rehefa nandinika tamim-pahalala-ham-po ny asan-tanany izay tanteraka avokoa sady mendrika Ilay Mpanao azy Andriamanitra, dia nitsahatra Izy, tsy toy ny fitsaharan'olona aorian'ny manontolo andro iasany anefa, fa mba hanehoany ny hafaliany raha mahita ny asan'ny fahendreny sy ny hatsarany ary ny voninahiny Izy.
Rehefa nitsahatra tamin'ny andro fahafito Andriamanitra, dia nanamasina izany andro izany Izy, izany hoe, nanokana azy ho toy ny andro fitsaharana ho an'ny olona. Antsoina hanaraka ny ohatra nasehon'ny Mpamorona azy ny olombelona; antsoina izy hanokana izany andro masina izany ho fialan-tsasatra, ka eo am-pandinihana ny lanitra sy ny tany, dia ho afaka hanandratra ny sainy ho amin'ny asan'Andriamanitra izy amin'ny fo feno fanajana sy fitiavana Ilay nanao ny ainy.
Tao amin'ny saha Edena no nanan-ganan'Andriamanitra fahatsia-rovana ny asa nataony. Napetrany tamin' i Adama izay ray sy solontenan'ny taranak'olombelona rehetra ilay andro fitsaharana. Ny fitandremana azy no toy ny mari-pisaorana avy amin'ny taranaka mifandimby rehetra ho an'Ilay Mpanjakany sy Mpamorona azy. Nanjary lovan'ny firenena io zava-notendrena io, izay natao ho fahatsiarovana tokoa. Ary satria tsy tandindon-javatra izany dia tsy voafaritra ho an'ny firenena anankiray manokana.
Na dia tao Edena aza, dia nilain'ny olona mihitsy ny nanokana ny andro fahafito hitsaharana tamin'ny asany rehetra momba ny ety an-tany ka handinika bebe kokoa ny zavaboary, hihaino ny feon'ny natiora sy hanao antso avo fa misy Andriamanitra velona, Tompo sy Mpahary izay rehetra misy. "Ny lanitra mitory ny voninahitr 'Andriamanitra: Ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany
Ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy Ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina mandimby azy." — Sal. 19:1.
Nv hatsaran-tarehin'ny zavaboary dia famantarana ny fitiavan'Andriamanitra. Miseho eo amin'ny saha voaravaky ny hazo makadiry sy eo amin'ny voninkazo vao mivelatra izany. Ny zavatra rehetra dia mampahatsiaro izany avokoa; eny, ny zavatra rehetra dia samy manainga ' ny vetsovetsontsika ho any amin'Ilay Mpamorona izao tontolo izao. — PM, tt. 27,28.