Hodinihina mandritra ny herinandro: Isa. 1:2-15; Heb. 10:3-10; Eks. 12:1-11; 1 Kor. 5:7; Hag. 2:7-9; Isa. 6:1-5; Apôk. 4:7-11.
Tsianjery:
"Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no mendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; fa voavono Hianao, ary ny ranao no nanavotanao ho an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny, sy ny olona ary ny firenena rehetra." - Apôk. 5:9.
Hoy i Jaona mpanao batisa rehefa nanatona azy i Jesôsy : "Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao!" Jao. 1:29. Manambara mazava ny amin'ny biby atao fanatitra alatsa-dra izany, izay manondro ny sorona nataon'i Kristy tamin'ny nahafatesany teo amin'ny toeran'ny taranak'olombelona.
Tsy afa-miala amin'io lohahevitra momba ny fanatitra io isika ao amin'ny Baiboly manontolo. Mitana toerana manan-danja izany ao amin'ilay toe-javatra lehibe ao amin'ny Apôkalipsy, izay nitondrana an'i Jaona ho eo anatrehan'ny seza fiandrianan Andriamanitra (Apôk. 4,5). Manampy tokoa amin'ny fahatakarana ny vanim-potoana ara-paminaniana manontolo ny fisehoan'i Jesôsy eto amin'ny endriky ny zanak'ondry efa voavono (Apôk. 5:6).
Handinika lohahevitra vitsivitsy mikasika ny fanatitra isika amin'ity herinandro ity, izay manampy antsika hahafantatra mazava ny amin'i Jesôsy , Ilay Zanak'ondry voavono, Izay mpandray anjara fototra ao amin'ilay toe-java-miseho eo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra. Ekena ho mendrika Izy, ary tsy misy ankoatra Azy. Midika zavatra betsaka momba izay nataon'ny Tompo tamin'ny alalan'ny rafi-pisoronana io fahamendrehany manokana io. Maneho Azy ho Andriamanitra fitiavana mandrakizay izany, Izay nanao ilay fanatitra faratampony - fihetsika iray izay hampitolagaga antsika sy ny mponin'ny lanitra mandrakizay.
*Famerenana ny lesona ny sabata 10 May.