"Izay rehetra azon'ny tànanao atao dia ataovy amin'ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin'ny fiainan-tsi-hita izay alehanao." -Mpitt. 9:10.
"Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana." Rôm. 12:6.
"Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany." - 1 Kôr. 12:4,5.
Mofon’aina: Diniho tsara ny Soratra Masina. Tsy mitovy ny asa nankinin' Andriamanitra tamin'ny tsirairay. Ao anatin'ny drafiny ny hisian'ny firaisana ao anatin'ny fahasamihafana. Rehefa dinihina sy arahina ny planin'Andriamanitra dia hihena kokoa ny fifandonana eo amin'ny fanaovana ny asany.
"Fa izy namaly ka nanao tamin'ny anankiray amin 'ireny hoe: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy marina aminao aho; tsy efa denaria va no nifanekenao tamiko? Raiso ny anao, ka mandehana; fa ilay farany dia tiako homena toraka ny anao koa." - Mat. 20:13,14.
"Mitenena amin'ny Zanak’Isiraely mba hitondra fanatitra ho Ahy izy; dia avy amin'ny olona rehetra izay amporisihin'ny fony no handraisanareo ny fanatitra ho Ahy." - Eks. 25:2.
"Ary tokony hanao izany indrindra isika, satria fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin'ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin'ny andro vao ninoantsika." - Rôm. 13:11.
"Fa izay rehetra manana dia homena, ka hanam-be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy." - Mat. 25:29.
Mofon’aina: Tsy ny fanomezana lehibe sy miavaka ihany no takin'Andriamanitra sy ankasitrahany, fa takiny koa ireo talenta kelikely kokoa, ary hankasitrahany izany raha toa ampiasain'ny lehilahy sy ny vehivavy ho amin'ny Voninahiny. Moa ve isika tsy efa tonga mpanompon'ny Tompo noho ny Fahasoavany? Araka izany, tsy antsika ny fananana nankinina tamintsika fa (...) an'ny Tompo. (...)
"Dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin'ny tany; indry, lasanao ny anao. Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, (...) tokony ho nampanàna ny volako tamin'ny mpanàna vola hianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany." - Mat. 25:25-27.
"Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao." — Efes. 5:15,16.