"Fa izay rehetra manana dia homena, ka hanam-be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy." - Mat. 25:29.
Mofon’aina:
Tsy ny fanomezana lehibe sy miavaka ihany no takin'Andriamanitra sy ankasitrahany, fa takiny koa ireo talenta kelikely kokoa, ary hankasitrahany izany raha toa ampiasain'ny lehilahy sy ny vehivavy ho amin'ny Voninahiny. Moa ve isika tsy efa tonga mpanompon'ny Tompo noho ny Fahasoavany? Araka izany, tsy antsika ny fananana nankinina tamintsika fa (...) an'ny Tompo. (...)
Antenaiko fa hisy ezaka hatao any amin'ny fiangonana tsirairay mba hamohazana ireo tsy manao na inona na inona. Enga anie mba hataon'Andriamanitra izay hahatsapan'izy ireo fa hotakiny aminy ilay talenta sy ny tombony, ary raha manao tsirambina ny fanangonana talenta hafa ankoatra izany izy dia ho veriny ny talenta iray ananany ary ho very koa ny fanahiny. (...)
Efa miomana hiverina ny Tompon-trano ary hiantso ireo mpitantam-pananany mba hampamoaka azy ireo ny amin'ireo talenta nankininy taminy. Hamindra fo amin'ireo mitomoe-poana anie Andriamanitra! Ireo izay handre ny fankasitrahana hoe: "Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky" dia niasa mba hampitomboana ny fahaiza-manao sy ny fitaovana ananany ho voninahitr'Andriamanitra. Iza no ho tonga hanampy an'i Jehôvah, eny, hanampy Azy hamely ny mahery?
Miasa i Satana ary maharitra, jeneraly mahatoky izy eo amin'ny asa fitarihan-tafika ataony. Manana miaramila mpiambina eny rehetra eny izy. Inona kosa no ataon'ireo mpanompon'i Jesôsy Kristy? Moa ve miakanjo ny fiadiany izy ireo? Moa ve miambina sy mahatoky izy ka hahatsena sy hahatohitra ny tafika maherin'ny fahavalo, sa resin-tory ka manantena ny hafa hanao ny asany? (...)
Andeha isika rehetra hifoha, fa efa antomotra ny ora hilazana hoe: "izay manao ny tsy marina, aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy; ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy." - Apôk. 22:11. Izao indrindra no fotoana mety hikatsahana ny fahadiovana sy ny fahamasinan-toetra ary handraisana ny akanjo fotsy, mba hahatonga antsika ho vonona hanatrika ny lanonana fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. - RH, 14 Marsa, 1878.