"Fa izy namaly ka nanao tamin'ny anankiray amin 'ireny hoe: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy marina aminao aho; tsy efa denaria va no nifanekenao tamiko? Raiso ny anao, ka mandehana; fa ilay farany dia tiako homena toraka ny anao koa." - Mat. 20:13,14.
Mofon’aina:
Noho ny fahasoavan' Andriamanitra no nanomezany antsika efatra amby roapolo ora isan'andro. Haren-tsarobidy azo anaovan-tsoa marobe izany. Ahoana no ampiasantsika ireo fotoam-bolamena fanararaotra ireo? Amin'ny maha-Kristianina, dia tokony hanao an'Andriamanitra ho lohalaharana isika, raha tiantsika tsy ho verivery foana ireo ora sarobidy ary koa mba hahazoantsika vokatra tsara.
Vidim-bola ny fotoana. Azo atao hoe kamo izay tsy manaiky hiasa noho ny tsy fahazoany ny karama ambony indrindra. Tsara kokoa ho azy ny miasa, na dia latsaka noho izay heveriny fa mendrika ny asany aza no azony.
Talenta nankinina tamintsika ny fotoana, ary mahamenatra ny fampiasan'ny olona izany tsy araka ny tokony ho izy. Ny zanak' Andriamanitra rehetra, na lahy na vavy, na zaza na tanora, dia tokony handinika sy hahatsapa ny tombambidin'ny segôndra rehetra. Raha manao izany izy ireo, dia hiasa hatrany, na dia tsy mandray ny
karama ambony mety ho azony aza. Tokony hasehon'izy ireo ny fitiavany ny fahazotoana sy ny asa, na ohatrinona na ohatrinona karama azony. Ny fandavan'ny olona mahantra iray izay manana ankohonana tsy hiasa, noho ny karama kely kokoa, noho ny fiheverany fa tsy mendrika ny asa vitany izany, dia fahadalana tsy tokony hampirisihina.
Kely loatra ny fieritreretana momba izany lohahevitra izany kanefa hanao ahoana ny fahalehibeazan'ny fahombiazana hita eo amin'ny asa misiônera raha toa nodinihina tsara sy nampiasaina tamim-pahatokiana ny talentan'ny fotoana! Isika rehetra dia hampamoahina eo anatrehan' Andriamanitra noho ny amin'ny fotoana nolanilanina foana, hampamoahina antsika koa ny fomba nampiasana izany. Fitantanam-pananana tsy dia omen'ny olona tombambidy izany; maro mantsy no mihevitra fa tsy fahotana ny fandaniana ny ora sy ny andro amin'ny fitomoe-poana nefa tokony hanasoavany ny tenany sy ny hafa izany. - MR 6:80,