"Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana." Rôm. 12:6.
Mofon’aina:
Samy afaka manatanteraka asa tsara ho an'Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy, raha mianatra ny lesona sarobidy sy manan-danjan'ny fahalemem-panahy ao amin'ny sekolin'i Kristy aloha. Azon'izy ireo atao ny hanasoa ny taranak' olombelona amin'ny fampahafantarana azy ny fahatanterahan'i Jesôsy. Rehefa tsapan'ny mambran'ny fiangonana rehetra ny andraikiny, rehefa manao ny asa eo anoloany amim-panetren-tena izy, dia hahomby izany asa izany. Efa nomen'Andriamanitra asa araka ny fahaiza-manao marobe ananany avy ny olombelona.
Tsy mora ny miasa ho an'ny Tompo amin'izao vanin'andro izao, kanefa ho betsaka tokoa ny zava-tsarotra voasoroka raha toa ka miantehitra amin'Andriamanitra mandrakariva ny mpiasa ary manaraka tsara ireo toromarika omeny. Hoy Izy: "Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana; raha fanompoana amin'ny fiangonana, dia aoka ho amin'ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin'ny fampianarana; raha mananatra, dia aoka ho amin'ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin'ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin 'ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin'ny fifaliana." - Rôm. 12:6-8.
Lohahevitra mitaky fandinihana akaiky sy fifantohana izany. Maro ny fahadisoana ataon'ny olona noho ny tsy fanarahana io toromarika io. Olona maro izay nanankinana asa tsotra mba hotanterahiny ho an'ny Tompo no manjary tsy faly ary mihevitra fa tokony ho mpampianatra izy ireo na koa mpitarika. Te handao ny asa fanompoana tsotra ataony izy kanefa manan-danja sahala amin'ireo andraikitra lehibebe kokoa izany. Ireo izay nomena andraikitra mba hitsidika ny hafa dia mety hihevitra fa azon'ny rehetra atao izany asa izany, heveriny fa afaka manao teny mitory firaisam-po sy fankaherezana ny olona rehetra ary koa afaka mitarika ny hafa amim-pahatoniana sy amim-panetren-tena ho amin'ny fahatakarana araka ny tokony ho izy ny Soratra Masina. Kanefa asa mitaky fahalemem-panahy sy faharetana bebe kokoa izany, ary ilana fahendrena izay mihamitombo hatrany. - MR 11:278, 279.