Sary manaitra maneho ny fiverenan'i Jesôsy sy ny fandringanana ireo ratsy fanahy no mamarana ny Apôk. 19. Tsy tapitra eo anefa ny tantara. Miresaka amintsika ny amin'ny vanim-potoana iray maharitra arivo taona ny Apôk. 20.
Vakio ny Apôk. 20:1-3. Inona ny anjara miandry an'i Satana rehefa miverina i Jesôsy ?
Vakio ny Jao. 14:1-3 sy ny Tit. 2:11-14. Eo anatrehan'ny fihaikana amin'ny hoavy sy ny fotoan-tsarotra, nahoana ireo toko sy andininy ireo no mampahery?
Amin'ny andro farany, dia hiseho amin'ny fomba manaitra ny fifanandrinana lehibe mahakasika ny fiankohofana. Moa ve isika miankohoka amin'ny Mpamorona, sa miankohoka amin'ny bibidia sy ny sariny? Tsy misy ny eo anelanelan'ireo. Mananatra ny lehilahy sy ny vehivavy ny anjely voalohany ao amin'ny Apôk. 14, manao hoe: "(...) miankohoka eo anoloan'Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano."- and. 7.
"Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona." - Lio. 21:36.
Mofon’aina: Mibaiko antsika mba hiambina i Kristy, mba ho isan'izay mendrika ny ho afaka amin'ireo toe-javatra ho tonga eto an-tany isika. Tena zava-dehibe indrindra ny hiheverantsika io fampitandremana io. Manjohy antsika ilay fahavalon'ny fahamarinana, manao izay itaomana antsika hanadino an'Andriamanitra.