"Fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-trano-maizina Aho, dia novangianareo." - Mat. 25:35,36.
"Izaho dia Izaho ihany no Jehôvah ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho. (..) Dia hianareo no vavolombeloko, hoy Jehôvah , ary Izaho no Andriamanitra." - Isa. 43:11,12.
"Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony hianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan'Andriamanitra, natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesôsy no fehizoro indrindra." - Efes. 2:19,20.
"Ary ho entiko miditra amin'ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro." — Zak. 13:9.
"Fa tahaka izany, ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro." — Mat. 20:28.
Mofon’aina: Tsy natao hivelona ho an'ny tenantsika isika. Velona ho _ an'ny hafa i Kristy fony Izy teto amin'izao tontolo izao — tsy tonga hotompoina Izy fa hanompo. Raha miezaka miaina eto an-tany tahaka ny niainan'i Jesôsy ianao dia milaza amin'izao tontolo izao hoe: "Banjino Ilay Lehilahin' i Kalvary." Mitarika ny hafa ho eo amin'ny lalan'ny fahamarinana ianao amin'ny alalan'ny foto-kevitra sy ny ohatra asehonao.
Mofon’aina: Ny antson'ny adidy dia feon'Andriamanitra — mpitari-dalana voajanahary, nirahin'ny lanitra. Tsy maintsy manatanteraka ny adidy manoloana antsika mivantana isika, na mahafinaritra izany na tsia. Raha tian 'Andriamanitra hitondra hafatra any Ninive isika dia tsy ho faly Izy raha any Jopa na any Kapernaomy indray no alehantsika. Misy antony matoa Andriamanitra maniraka antsika any amin'ny toerana izay itarihany ny tongotsika (...).