"Ary tokony hanao izany indrindra isika, satria fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin'ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin'ny andro vao ninoantsika." - Rôm. 13:11.
Mofon’aina:
Misy sokajin'olona (…) izay ho tojo fatiantoka noho ny fahalainany sy ny fandaniany ny heriny amin'ny fanaovana izay mahafinaritra azy, amin'ny firesahana sy ny famelana ny hozany hitomoe-poana fa tsy hiasa. (...) Hahavita be tokoa izy ireo raha toa mampiasa ny fotoany sy ny heriny amin'ny fanangonana harena hametrahana ny zanany amin'ny toerana tsara hahazoan'izy ireo fahalalana; aleony anefa mamela ny zanany hitombo ao anatin'ny tsy fahalalana toy izay hampiasa ny fahafaha-manao nomen'Andriamanitra azy (...). Lanjaina eo amin'ny mizanan'ny fitoerana masina any an-danitra ny lehilahy sy vehivavy toa izany ary hita fa latsa-danja.
Misy asa tokony hataon'ny tsirairay eto amin'ity tontolontsika ity. Ho avy ny Tompo, ary tsy tokony holanina amin'ny fidonanaham-poana ny fiandrasantsika, fa amin'ny asa feno fahazotoana. Tsy natao holanina manontolo amin'ny fandinihan-tena amim-pivavahana ny fotoantsika, nefa koa tsy natao hihazakazaka sy hiasa toy ny hoe miezaka hahazo ny lanitra amin'izany isika ka hanao tsirambina ny fanokanana fotoana hikoloana ny fitiavam-bavaka manokana. Tsy maintsy atambatra ny fandinihan-tena sy ny asa feno fahazotoana. Izao no ambaran'Andriamanitra ao amin'ny Teniny: "aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo." - Rôm. 12:11. Aoka tsy hanakona ny fanompoana ny Tompo ny asa aman-draharahan'izao fiainana izao. Ilain'ny fanahy ireo haren'ny fahasoavan'Andriamanitra, ary ny vatana kosa mila ampiasaina mba hahatanteraka ny asa tsy maintsy atao ho fanapariahana ny filazantsaran'i Kristy.
Manota amin'Andriamanitra isan'andro ireo izay mikolokolo ny toe-tsain'ny fitomoe-poana, satria tsy ampiasainy ny hery nomen'Andriamanitra azy mba hitondra fitahiana ho an'ny tenany sy ho an'ny fianakaviany. Tokony hampianarin'ny ray aman-dreny ny zanany ny fanirian'Andriamanitra ny hahatonga azy ireo ho mpiasa mazoto (...) ao amin'ny tanimboalobony. Tsy maintsy mampiasa ny fotoany amim-pahendrena izy ireo raha tiany ny ho mpiasa mahasoa sy mahavita tsara ny anjara asany ao amin'ny tanimboaloboky ny Tompo. Aoka izy ireo ho mpitantam-pananana mahatoky (...). - THM, Oktôbra 1894.