Vakio ny Apôk. 19:1-9. Toe-javatra roa no ankalazaina miaraka eto: ny fiafaran'ilay vehivavy janga sy i Kristy mampakatra ny vadiny. Ahoana no mahatonga ireo toe-javatra roa ireo sady maneho ny fahamarinan'Andriamanitra no maneho koa ny toetrany be fitiavana?
Vidin-dafo tokoa ny tsy fahatokiana ao amin'ny fanambadiana. Miantraika amin'ny fiainan'ny zanaka sy ny hafa ny vokatr'izany. Na dia ny vady voafitaka izay manam-paharetana indrindra aza dia mety hahita amin'ny farany fa misy ny fetra tsy azo ihoarana ka tsy hahafahana manavotra intsony ilay fanambadiana. Rehefa tonga amin'ny teboka iray izay mahatonga ny fon'ny maro ho mafy tanteraka ka tsy hibebaka intsony ity tontolontsika ity, dia tsy mahasoa na inona na inona intsony ny fanohizana ny tantara sy ny famelana ny fahoriana ateraky ny fahotana hitohy. Na dia misy aza ny alahelo noho ny amin'ireo izay very, dia afaka ny hanao fankalazana kosa ireo niari-pahoriana noho ny fihanaky ny fahotana, satria fongana ihany izany nony farany, ary haverina indray ho amin'ny fikasan'Andriamanitra ho azy tany am-piandohana ny tany. Tsy hisy intsony amin'izany ny fiodinana amin'Andriamanitra, satria efa nandray lesona avy tamin'ny fomba henjana isika fa rariny raha malahelo fatratra Andriamanitra noho ny fisarahantsika Aminy.
Vakio ny Apôk . 21:1-4. Inona no hevitry ny sary an'ohatra momba ny fanambadiana eto, ary nahoana izany no feno fanantenana sy teny fikasana? Inona no antoka ho antsika momba ny fanantenana aseho ao amin'ireo andininy ireo?
"Ny fanambadiana, izay firaisana mandritra ny fiainana manontolo, dia andindon'ny firaisana misy eo amin'i Kristy sy ny fiangonany. Ny fitiavana asehon'i Kristy amin'ny fiangonana no fitiavana tokony hasehon'ny mpivady amin'ny ankilany." - TFC, b. 7, t. 46.
Fahoriana tsy takatry ny saina ne tsapan'i Kristy rehefa nandà Azy ny taranak'olombelona ary nanolotra ny fitiavana tokony ho Azy ho an'ny andriamani-kafa. Na izany aza dia nanolotra ny Ainy ho antsika Izy, ny Tenany no nanonitra ny vidin'ny tsy fahatokiantsika sy ny fijangajangantsika, mba hahatonga antsika hanana ny teny fikasan'ny fiainana mandrakizay raha mibebaka sy miala amin'ireny andriamani-tsy izy ireny.
Vakio ny 1 Pet. 1:18,19. Inona no ambara amintsika ao amin'ireo andalan-Soratra Masina ireo izay manome antsika toky momba ny farany Izay resahin'ny Apôk. 21:1-4?