Vakio ny Sal. 92. inona ny lafiny roa amin'ny andro Sabata izay asongadina ao ‘amin‘io hira momba ny Sabata io?
Ny fiderana an’Andriamanitra noho ny asa lehibe nataon'ny Tanany (Sal. 92:4,5) sy ireo olona marina amin'ny sarin'i Edena (Sal. 92:12-14) dia manondro miharihary ny Famoronana, ilay lafiny voalohany izay tsiahivina amin'ny andro Sabata. Manandratra an’Andriamanitra noho ny fandreseny ny fahavalony amin'ny maha-Andriamanitry ny fahamarinana Azy koa ny Salamo (Sal. 92:7-15), ary manamaty ny lohahevitra faharoan’ny Sabata - ny fanavotana tamin’ny tanan'ny ratsy (Deo. 5:12-15). Araka izany, ny Sal. 92 dia midera an’Andriamanitra noho ny famoronana nataony tamin’ny lasa sy ny inazonany an'izao tontolo izao ankehitriny; ary miresaka ny amin'ny fanantenana amin'ny andro farany koa izany, dia ny fiadanana sy ny filaminana mandrakizay avy amin’Andriamanitra,
Afaka mifaly amin‘ny fitsaharana amin'ny Sabata ny olona satria Jehovah no “Avo Indrindra” (Sal. 92:1); tsy misy fampitahana azo atao Aminy sy ireo fahavalony mihitsy, satria manana toerana ambony indrindra Izy.
Na dia Avo Indrindra aza anefa i Jehévah, dia vonona ny hiondrika hanavotra ireo izay ‘miantso Azy Izy. Tokony hanetsika ny olona hiankohoka amin’Andriamanitra sy ho tia Azy nny famoronana nataony ary indrindra ny fanavotana ny zavaboariny. Tsy zava-mahafinaritra rahateo ny fiainana eo amin'ny zavaboary lavo kanefa tsy manana fanantenana ny amin'ny fanavotana. Mitia isika, mijaly ary maty - ary izany rehetra izany dia ataontsika kanefa tsy misy fanantenana ao amintsika na dia kely aza. Noho izany no iderantsika an’Andriamanitra, tsy noho ny maha-Mpamorona Azy ihany fa noho ny maha-Mpanavotra antsika Azy koa.
Ny “diloilo vaovao” dia maneho ny fanoloran-tena vaovao ao amin'ny mpanao Salamo hanompo an’Andriamanitra amin'ny maha-mpanompony izay nandray hosotra vaovao azy (Sal. 92:10). Ny fanosorana tamin'ny diloilo dia natao nandritra ny fanosorana ny olona voafidy toy ny mpisorona sy ny mpanjaka (Eks. 40:15; 1 Sam. 10:1), Teny hebreo tsy dia fampiasa, balal, anefa no nofidin’ny mpanao Salamo mba hilazana ny fanosorana izay tsy ‘maneho ny fanosorana ny mpanompon’Andriamanitra fa manondro ny “fampifangaroana” ‘ny diloilo amin’ireo fanatitra hafa (Eks, 29:2; Lev. 2:4,5). Ny fampiasan'ny mpanao Salamo ny teny hoe “bala!” dia maneho ny faniriany hitondra ny tenany ho fanatitra velona ho an’Andriamanitra sy hanokana ny momba azy manontolo ho an’Andriamanitra (ROm. 12:1),
Tsy mahagaga ny mahita hevitra mikasika ny fanosorana ao amin'ny Salamo izay miresaka manokana momba ny Sabata, satria ny Sabata dia famantarana fa manamasina ny olony Andriamanitra (Eks. 31:13). Ny sarin'ny rofia sy ny sederan’i Libanona dia maneho ‘ny vahoakan’Andriamanitra izay mitombo ao amin’ny finoana sy ny fankasitrahana marina ny fikasana mahatalanjon’Andriamanitra sy ny fitiavany. Ny Sabata no famantarana ny fanekena mandrakizay nataon’Andriamanitra tamin'ny vahoakany (Ezek. 20:20). Araka izany, ny fitsaharana amin'ny Sabata dia zava-dehibe ho an'ny vahoakan’Andriamanitra satria mampahery azy ireo hiandry an’Andriamanitra amim-pitokiana mba hanatanteraka ireo teny fikasany rehetra araka ny fanekeny izany (Heb. 4:1-10).
Ayereno vakina indray ny Sal. 92. Inona ny tanantenana lehibe atolotra antsika eto, ary ahoana no ahazoantsika fampaherezana avy amin'izay ambaran'izany, eny fa na amin’izao ankehitriny izao aza?