"Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zanani-lahy izay manompo azy." - Mal. 3:17.
Mofon’aina:
Vatosoa sarobidin'i Kristy ny Kristianina, novidiny tamin'ny vidiny tsy manam-petra. Natao hamirapiratra ho Azy izy ireo, hampiely ny fahazavan'ny fahatsarany. Ary tsy azony hadinoina fa ny famirapiratana rehetra eo amin'ny toetra kristianina dia noraisiny avy amin'Ilay Masoandron'ny fahamarinana.