"Tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin'ny olona rehetra." - Tit. 3:2
Mofon’aina:
Firifiry amin’ireo mpiasa mahasoa sy omen-kaja ao amin'ny raharahan'Andriamanitra no nofanina tao anatin'ny adidy feno fahatsoran'ny sarangam-piainana ambany indrindra! (...) Teo am-pamoloana no nakana an'i Gideôna mba ho tonga fitaovana nampiasain'Andriamanitra hanafaka ny tafik'Isiraely. Nasaina nandao ny ombiny i Elisa mba hanompo an' Andriamanitra. (…)
Asa mafy sy tsy mahafinaritra loatra no asaina tanterahin'ireo rehetra tonga mpiara-miasa amin'i Kristy, ary ny lesona ampianarina azy dia voafidy amim-pahendrena sy mifanaraka tsara amin'ny toetrany manokana sy ny toetry ny asa hampanaovina azy.
(...) Ilain'izay rehetra omena andraikitra mba hanabe sy hanofana ny tanora ny manakaiky indrindra an'ilay Mpampianatra lehibe, mba hianarany ny toe-tsainy sy ny fomba fiasany. Maro ny lesona tokony homena ny tanora, izay hisy fiantraikany eo amin'ny toetrany sy ny asany eo amin'ny fiainana.
Tokony hampianarina azy ireo fa tsy azon'ny filazantsaran'i Kristy ekena ny toe-tsain'ny fanavakavahana; tsy omeny toerana ny fitsarana ny hafa amin-karatsiam-panahy izay mitarika ho amin'ny fanandratan-tena. Tsy mba manambany na oviana na oviana izay mandray azy ny fivavahan'i Jesôsy na mahatonga azy ho mpitratrevatreva; tsy mahatonga azy ho ratsy fanahy kokoa amin'ny fisainana sy ny fihetseham-po manoloana ireo nanoloran'i Kristy ny ainy izany (...)
(...) Ratsy ny zavatra rehetra izay mandrisika ny fanakianana miiba, ny toetra mpitsikera sy mpitsongoloka ny fahadisoan'ny hafa sy ny kilemany. Manome laka ny tsy fitokiana izany, izay mifanohitra amin'ny toetran'i Kristy, ary manimba ny saina. Ireo izay manao izany dia miala tsikelikely amin'ny tena toe-tsaina kristianina.
Ny fanabeazana manan-danja sy maharitra indrindra dia izay mampivelatra ny toetra tena mendrika, izay handrisika ny toe-tsain'ny fahamoram-panahy, izay hahatonga ny tanora tsy hisaina ratsy momba ny hafa fandrao izy ireo hanao fitsarana diso momba ny antony manosika ny hafa sy handika vilana ny teny sy ny asa ataony. Hitondra vokatra ho any amin'ny fiainana mandrakizay ny fotoana atokana ho amin'ny fampianarana tahaka izany. - RC, t. 276.