"Ary izahay dia vavolombelon'izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen'Andriamanitra ny manaiky Azy." - Asa. 5:32
Mofon’aina: Tian'Andriamanitra raha manao amim-pahatokiana ny adidiny ny mambran'ny fiangonana tsirairay, tiany ny hahatsapan'izy ireo ny andraikiny, ary tiany ny hanjakan'ny rivo-piainan'ny lanitra ao amin'ny fanahy (...).
"Ary tsy ho eo amin'izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin'izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao,Ray masina ô, tehirizo ireo amin'ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika." - Jao. 17:11
"[Matokia an]' Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika." - 1 Tim. 6:17
Mofon’aina: Mety ho sambatra sy ilain'ny fiarahamonina tokoa isika raha toa ny fitsipiky ny fivavahana Kristianina no mifehy ny tokantranontsika sy ny fifandraisantsika amin'ny hafa. (...) Aoka ho hitan'ireo vahinintsika ny fiezahantsika hanao izay hahasambatra ireo manodidina antsika amin'ny alalan'ny toetra miramirana sy ny firaisam-po ary ny fitiavana.
"Ary maty hamonjy ny olona rehetra izy, mba tsy ho velona ho an'ny tenany intsony izay velona, fa ho an 'izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy." - 2 Kôr. 5:15
Mofon’aina: Asan-tanan'Andriamanitra kanto indrindra ny olombelona, nohariany ho amin'ny tanjona ambony sy masina indrindra; ary faniriany ny hanoratra ny lalàny ao amin'ny lafiny rehetra amin'ny tabernakely olombelona (...) Tokony hotehirizina ho madio ny fanomezana nomena eo amin'ny hozatra sy ny nofo rehetra, ary ny saina sy ny vatana.
"Aoka hiezaka hahalala an'i Jehovah isika; mahatoky toy ny maraina ny fiposahany." - Hôs. 6:3
Momon’aina: Velona eo anivon' ireo lozamiseho amin'ny andro farany isika ka tokony hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra ary hanao ny akanjom-pahamarinan'i Kristy. (...) Tokony hitondra ny amintsika hilefitra amin'i Kristy isika, ny tenantsika, ny fanahintsika ary ny toe-tsaintsika. Raha tsy manao izany isika dia hotandindomin-doza ny fahasalaman'ny tenantsika sy ny fanahintsika.