"Na dia ny lambany ihany aza no ho voatendriko, dia ho sitrana aho." - Mat. 9:21
Mofon'aina:
Vehivavy mahantra no nanao ireo teny ireo - vehivavy izay nijaly nandritra ny roa ambin'ny folo taona noho ny aretina izay nahatonga ny fiainany ho enta-mavesatra. Efa nandany ny fananany rehetra tamin'ny mpitsabo sy ny fanafody izy, nefa dia ny hoe tsy azo sitranina ihany no azony tamin'izany. Rehefa nandre kosa ny amin'Ilay Mpanasitrana Lehibe izy, dia velona ny fanantenany. (...) Impiry impiry izy no efa niezaka nanatona Azy fa tsy nahomby.
Efa nanomboka namoy fo izy raha indro, fa nanavatsava tao anaty vahoaka i Jesôsy, ka tonga tea akaikin'ny nisy azy. (...) Tsy afaka niteny taminy izy anefa noho ny korontana, ary tsy afaka nanao na inona na inona afa-tsy ny nijery indray mitopy maso ny endriny fotsiny. (...) Raha nandalo i Jesôsy dia naninjitra ny tanany ravehivavy ka afaka nikasika kely ny sisin'akanjony. Ary tamin'izay fotoana izay anefa dia fantany fa sitrana izy. Nangoniny tao arnin'io fanendreny ny fitafiany io ny finoan'ny fiainany, ka avy hatrany dia nisolo toerana ny fanaintainany sy ny faharerahany ny tanjaka avy arnin'ny fahasalamana tanteraka.
Feno fankasitrahana ny fony ary niezaka amin'izay izy hiala amin'ny vahoaka; nefa nijanona tampoka i Jesôsy (...) Hain'ny Mpamonjy ny manavaka ny fanendrena avy amin'ny finoana sy ny fikasohana kisendrasendra eo amin'ny vahoaka tsy mihevitra izany. Ny fahatokiana toy izany dia tsy avelany handeha fotsiny amin'izao. (...) Hitan-dravehivavy fa tsy afaka miafina izy, ka nanatona tamim-pangovitana ary niankohoka teo an-tongony. Tamin'ny ranomaso nitory fankasitrahana no nilazany ny tantaran'ny fahoriany sy ny fomba nahitany fanasitranana. Niteny moramora i Jesôsy hoe: "Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao, mandehana soaman-tsara" — Mar. 5:34. Tsy tian'i Jesôsy hotohanana ny finoanoam-poana amin'ny hoe fahasitranana azo avy amin'ny fikasihana ny fitafiany fotsiny. Ny fahasitranana dia tsy azo avy amin'ny fikasohana ivelany Aminy, fa amin'ny alalan'ny finoana izay mamikitra ny herin'Andriamanitra.
Toy izany koa eo amin'ny zavatra ara-panahy. Tsy misy antony ny miresaka fivavahana amin'ny fomba kisendrasendra, ny mivavaka tsy misy hetahetam-panahy sy finoana velona. Ny finoana anarany fotsiny an'i Kristy, izay manaiky Azy fotsiny ho Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia tsy hitondra fanasitranana ho an'ny fanahy mihitsy. (...) Tsy ampy ny mino ny amin'i Kristy; tsy maintsy mino Azy mihitsy isika. Ny hany finoana izay hitondra tombon-tsoa ho antsika dia izay mandray Azy ho Mpamonjin'ny tena manokana sy izay maka ny fahamendrehany ho an'ny tena. — CC, t. 298.