Maneho amintsika sary mahatalanjona momba ny fitiavan'Andriamanitra ny vahoakany ny Ezek. 16. Ampitahain'Andriamanitra amin'ny zaza nariana sy navelan-dreniny ho faty tany an-tsaha ny vahoaka Isiraely. Izy no nitondra izany zaza izany nody sy nanadio azy, ary rehefa lehibe ilay zazavavy dia nalainy ho vady. Sary iray lehibe maneho fanambadiana tsy dia fahita izany.
Vakio ny Ezek. 16:4-14. Manome lesona momba ny fikasan'Andriamanitra ho antsika ireo tsipirian-javatra maneho ny fanandratana ilay ampakarina; inona izany lesona izany?
Nambaran’Andriamanitra tamin'ny Isiraely fa teo ambany fikarakarany no nahatonga azy "nihatsara tarehy " Ezek. 16:13. Tsy nisy nahita hatsaran-tarehy teo amin-dravehivavy tamin'ny fotoana voalohany nahitan'Andriamanitra azy; tsy tahaka ny zaza hafa rehetra izy fa nariana ary nantenaina ho faty. Nihanitombo anefa ny hatsaran-tarehiny rehefa nikarakara azy fatratra Andriamanitra; nanjary anton-dresaki’zao tontolo izao mihitsy aza izy. Nandritra ireo fotoana voalohany nanjakan'ireo mpanjaka hebreo, teo ambany fanapahan'i Davida sy i Sôlômôna, no nahitana indrindra ny fahamarinan'izany. Nanao dia lavitra manokana mihitsy aza ny mpanjakavavin'i Étiôpia mba hahita maso ny famirapiratan'ny Isiraely!
Fanomezana avy amin'Andriamanitra anefa ny hatsaran-tarehin'ny Isiraely. Nambaran’Andriamanitra fa ny hatsaran-tarehiny dia "tanteraka (...) noho ny voninahitro izay nataoko taminao" - Ezek. 16:14.
Lohahevitra miverimberina ao amin'ny Baiboly izao: tsara tarehy ilay ampakarin'Andriamanitra ho vady, tsy noho izay nataon-dravehivavy izany fa noho ny zava-tsoa natobakAndriamanitra taminy sy nanaovany azy ho toy izany. Tahaka izany koa, tsara tarehy eo imason'ny lanitra ny mpino, tsy noho ny zavatra nataony mba hahamendrika azy fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny famonjena natolony antsika. Tsara tarehy isika satria manarona antsika ny "fahamarinan’Andriamanitra." - 2 Kôr. 5:21.
Nizotra tsara ny zava-drehetra mandra-pahatonga eo amin'ny andalan-teny manaraka ao amin'ny bokin'i Ezekiela: "kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao ka nijangajanga noho ny lazanao sady nanaram-po nijangajanga tamin'ny mpandalo rehetra, ka nafoy ho azy izany." - Ezek. 16:15.
Nohariana mba haneho taratra ny fahatsaran’Andriamanitra sy ny voninahiny isika. Rehefa heverin'ireo zavaboarin'Andriamanitra fa ny tenany ihany no tompon'ny hatsaran-tarehiny, dia mihena ny fanombanana izany hatsaran-tarehy izany, ary miandry azy sahady ny olana samihafa.
Inona avy ireo loza ateraky ny fitokiantsika amin'ny "hatsaran-tarehintsika"? Raha lazaina amin'ny teny hafa, ahoana no mety iheverantsika fa misy zavatra momba antsika izay mahatonga antsika hahazo sitraka eo anatrehan’Andriamanitra sy ho mendrika ny fitiavany? Ahoana no iambenantsika mandrakariva tsy ho tratry ny avonavona ara-panahy?