"Ary aoka ho masina ho Ahy hianareo, satria masina Aho Jehôvah ; ary efa navahako tamin'ny firenena samy hafa hianareo mba ho Ahy." - Lev. 20:26
Mofon’aina:
Hitako ihany koa fa maro no tsy mahatsapa ny tokony ho toetrany mba hahavelona azy eo anatrehan'Andriamanitra kanefa tsy misy mpisoronabe manalalana ao amin'ny fitoerana masina, amin'ny fotoan-tsarotra. Tokony haneho ny endrik'i Jesôsy amin'ny fahafenoana ireo izay mandray ny tombokasen'ilay Andriamanitra velona sy voaro amin'ny androm-pahoriana.
Hitako fa maro no nanao tsirambina ny fiomanana izay tena ilaina tokoa, ka niandry ny fotoana "famelombelomana" sy ny "ranonorana farany" mba hahafahany mijoro amin'ny andron'i Jehôvah sy ho velona eo anatrehany. O! Firifiry moa no hitako tsy nanan-kialofana tamin'ny androm-pahoriana. Natao tsirambina ny fiomanana nilainy fatratra ka tsy nahazo ny famelombelomana tokony ho azon'ny rehetra izy mba hanomanana azy hiaina eo imason'ilay Andriamanitra masina. Ireo izay tsy nanadio ny fanahiny tamin'ny alalan'ny fankatoavana ny fahamarinana rehetra dia ho avy amin'ny andro hianjeran'ny loza ary hahita amin'izany fa nilainy ny fanefena sy fanitsiana azy ho amin'ny fanorenana. Saingy tsy hisy ny Mpanelanelana hisolo vava azy eo anatrehan'ny Ray. Mialoha izany fotoana izany mantsy no hanononana ny fanambarana mahatahotra, manao hoe: "izay manao ny tsy marina aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy." (...)
Araka izany, tokony hanakaiky kokoa ny Tompo hatrany isika ary hikatsaka amin'ny fo tokoa ny fiomanana ilaina mba hahatonga antsika ho tafajoro ao anatin'ny ady amin'ny andron'i Jehôvah. Aoka ny rehetra hahatsiaro fa masina Andriamanitra ary tsy misy olona tsy masina hahajanona eo amin'ny fanatrehany.
Tokony hitandrina isika amin'izao fotoana izao mba tsy hanafintohina amin'ny teny na amin'ny asa atao (...) Tokony hitady an'Andriamanitra isika ary tsy hianina fotsiny amin'izao kanefa tsy eo amin'ny fanatrehany. Tokony hiambina sy hiasa ary hivavaka isika ( ...) Ho feno fahamatorana tokoa ny fiainantsika amin'izany satria manara-dia an'i Jesôsy akaiky amin'ny asa sy ny tenintsika rehetra isika! — Ma, t. 41