Mety "manenina" ve Andriamanitra? Raha eny, inona no hevitr'izany? Efa hitantsika fa tsy miovaova ny toetran'Andriamanitra. Misy andalan-tSoratra Masina sasany anefa milaza fa "manenina" Andriamanitra. Farafahakeliny ho an'ny olombelona, ny fanenenana dia mifono fanekena ny ratsy natao. Ahoana àry no mahatonga ny toko sy andininy sasany ao amin'ny Baiboly hilaza fa "manenina" Andriamanitra?
Vakio ny Eks. 32:14 ary ampitahao amin'ny Jer. 18:4-10. Ahoana no fahatakaranao ny "fanenenan""Andriamanitra araka Ireo fanambarana ireo?
Ao amin'ireo toko sy andininy ireo sy any amin'ny hafa koa no ilazana fa manenina ny amin'ny famaizana Andriamanitra rehefa mibebaka na mifona ny vahoakany. Mampanantena Izy fa raha miala amin'ny lalan-dratsiny ny olona dia tsy hahatrany ny loza izay efa nomaniny hamelezana azy ireo. Lohahevitra iray fahita ao amin'ny Soratra Masina ny fanafoanan'Andriamanitra ny loza saika hamelezany ny olona rehefa mibebaka izy ireo.
Vakio ny Nom. 23:19 sy ny 1 Sam. 15:29. Inona no ampianarin'ireo andalan-teny ireo mahakasika ny hoe manenina na tsia Andriamanitra?
Manambara mazava ireo toko sy andininy ireo fa "tsy olona Izy ka hanenina" -1 Sam. 15:29, ary koa "Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak'olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? Na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?" - Nom. 23:19. Ny famakiana ireo toko sy andininy ireo miaraka amin'ny andalan-tSoratra Masina hafa dia mandiso ny fiheverana fa tsy "manenina" na oviana na oviana Andriamanitra; izao kosa no tiany hambara: tsy "manenina" tahaka ny fanenenan'ny olombelona Andriamanitra. Hazoniny mandrakariva ny teny fikasany, ary raha miova arakaraka ny fibebahan'ny olombelona ny Lalany, dia ataony araka ny fahatsarany sy ny Teniny mandrakariva izany. Manenina noho ny loza saika hamelezany ny olona Andriamanitra rehefa mibebaka izy ireo; izany dia noho ny fahatsarany sy ny fahamarinany ary ny fitiavany sy ny famindrampony.
Inona no hevitry ny fanambaran'ny Balboly momba ny "fanenenan’Andriamanitra" ? Inona no hevitra hampitain Izany momba ny tsy fiovaovan'ny toetran'Andriamanitra sy ny fanolorany tena hifandray amintsika ao anatin'ny fifandraisana anjakan'ny fitia mifamaly, fifandraisana izay manan-danja Aminy tokoa?