Ny sary an'ohatra momba ny tany sy ny ranomasina ao amin'ny Baiboly, indrindra fa amin'ny faminaniana, dia azo andraisana fampianarana lehibe. Diniho ny tranga ahitana ny fampiasana ara-tandindona ny tany sy ny ranomasina ao amin'ny faminanian'ny Baiboly, izay mifanohitra tanteraka.
"Raha tandindona no resahina, rehefa ampitahaina ny tany sy ny ranomasina, ny tany dia matetika maneho izao tontolo izao misy firindrana, maneho ny tanin'ny Isiraely mihitsy aza, fa ny ranomasina kosa manondro ny firenena jentilisa izay mampidi-doza azy tahaka ny ranomasina mampidi-doza ny tany." Beatrice S. Neall, "Sealed Saints and the Tribulation," ao amin'ny Symposium on Revelation, b. 1, ed. Frank B. Holbrook, (Silver Spring, MD: Biblical Research Institute, General Conference of Seventh-day Adventists, 1992), t. 260.
Araka io fisainana io, ny tany dia toerana milamina, miorina amin'ny fitondran’Andriamanitra; ny ranomasina kosa dia maneho ny fisavorovoron'ny firenena vokatry avonavon'ny olombelona.
Vakio ao anatin'izany tontolon-kevitra izany ny Apôk . 12:15,16 sy ny Apôk. 13:1,11. Mariho ny tsy fitovian'ny rano sy ny tany. Ahoana no ampiasana azy Ireo, ary inona no ampianariny antsika mikasika ny fomba tokony hahatakarantsika ny faminaniana?
Mariho fa nampiasa rano ny dragona hanenjehana ilay vehivavy (ny Fiangonana). Araka ny efa hitantsika, matetika ny rano no maneho ireo fitondram-panjakan'izao tontolo izao sy ny fikorontanana miaraka aminy, ao amin'ny faminaniana. Hitantsika araka izany, teo amin'ny tantaran'ny fiangonana ankapobeny, ny fomba nampiasan'i Satana ny sarambabe, tarihin'ireo mpitondra azy, mba hanenjika ny vahoakan Andriamanitra.
Takatry ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito fa manondro ny fifindra-monin'ireo mpino nenjehina ho ao Amerika ny Apôkalipsy 12:16. Raha marina ny fahatakarantsika momba ny tany sy ny ranomasina, inona no ambaran'izany momba ny fototra iorenan'ny Repoblika Amerikanina?
Azontsika heverina ho ilay "tany" tahaka ny "Tany Nampanantenaina" - toerana natokana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra ve izany? Mety ho izany ve no mahatonga ilay biby niakatra avy tamin'ny tany ho toy ny zanak'ondry amin'ny voalohany? Na dia tsy tonga "Isiraely Vaovao" mihitsy aza i Amerika, araka ny nofinofin'ireo nanorina azy tany am-piandohana, dia tany feno fahalalahana ara-pivavahana kosa izy ho an'ireo vahoaka an-tapitrisany maneran-tany izay nenjehina noho ny fivavahany.
Indrisy fa indray andro any, io bibidia tahaka ny zanak'ondry io dia hiteny "tahaka ny dragona" (Apôk . 13:11). I Etazonia, izay nahitan'ireo voaenjika fahafahana maharitra, no hanjary mpanenjika lehibe indrindra ny fivavahanal Hitantsika eto ny ohatra iray hafa maneho izay mitranga rehefa mifidy hitondra ny tenany ny olombelona fa tsy hotarihin'Andriamanitra.