Na zava-mahatahotra tokoa aza ny fahatezeran' Andriamanitra dia tsy haratsian-toetra na tsy fitiavana izany tsy akory. Ny mifanohitra amin'izany aza no hita ao amin'ny TT sy ny TV; tezitra Andriamanitra noho ny fitiavany. Ny fifanoherana lehibe eo amin'ny faharatsiana mamohehatra sy ny fahatsaran'Andriamanitra madio sy be voninahitra no mahatonga izany.
Araka izany, ny fitiavana no tena lehibe amin'Andriamanitra fa tsy ny fahatezerana. Tsy misy fahatezerana ao amin'ny toerana tsy misy faharatsiana na tsy fahamarinana. Amin'ny farany, ny fihetsika maneho fitiavana lehibe indrindra ataon'Andriamanitra amin'ny famongorana tanteraka ny faharatsiana, dia hamarana hatreo koa ny fahatezerana. Tsy hiverina hisy intsony mantsy ny ratsy na ny tsy fahamarinana. Ny fahasambarana mandrakizay sy ny fahamarinana ao anatin'ny fifandraisam-pitiavana tonga lafatra mantsy no hanjaka doria. Tsy hisy intsony ny fahatezeran'Andriamanitra satria tsy misy ilana izany intsony. Mahafinaritra re izany!
Raisin'ny olona sasany ho fisehoan'ny fahatezeran'Andriamanitra ny valifaty ataony amin'ireo izay nanao ratsy taminy. Vakio ny Deo. 32:35, Ohab. 20:22, Ohab. 24:29, Rôm. 12:17-21, sy ny Heb. 10:30. Inona ny fampitandremana omen'ireo andininy ireo momba ny valitaty ataon'ny olombelona?
Manana zo hanao fitsarana Andriamanitra araka ny Soratra Masina, ary isaky ny manao izany Izy dia amim-pahamarinana tanteraka mandrakariva no anaovany izany. Mazava ny voalaza ao amin'ny TT sy ny TV fa an'Andriamanitra ny famaliana. Hoy i Paoly: "Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: 'Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah'." - Rôm. 12:19 (nalaina avy amin'ny Deo. 32:35).
Hampihatra ny fitsarany amin'ny ratsy sy ny tsy marina Andriamanitra amin'ny farany, kanefa nanome vahaolana ho an'izay rehetra mino Azy i Kristy. I Jesôsy tokoa mantsy no "Mpanafaka antsika amin'ny fahatezerana ho avy"-1 Tes. 1:10 (ampitahao amin'ny Rôm. 5:8,9). Mifanaraka tsara amin'ny drafitr'Andriamanitra izany: "Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy Tompontsika." - 1 Tes. 5:9. Misy tokoa ny fahatezeran'Andriamanitra, saingy noho ny fahasoavan'i Kristy dia afaka amin'izany izay rehetra mino Azy.
Sady manandratra ny fahamarinana ny fanavotana nataon'i Kristy no manataka antsika amin'ny fahatezerana; amin'ny fomba ahoana? Raha tsapanao fa nafahana ianao na dia olona tsy tanteraka sy be fahadisoana aza, tsy mainka ve tokony halemy fanahy amin'ny hafa lanao?