Ahoana no mety hahatonga antsika, izay olona lavo sy mpanota, hankasitrahan'Andriamanitra Izay masina?
Vakio ny Rôm. 8:1 sy ny Rôm. 5:8. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika momba ny toerana misy antsika eo imason' Andriamanitra.
Na tsy mbola nanao fihetsika na inona na inona akory aza ny olombelona dia efa nandrotsaka ny fahasoavany ho an'ny olona Andriamanitra. Raha tsy mbola miteny na inona na inona akory isika dia efa manatona antsika Andriamanitra manolotra fahafahana ho antsika mba handray na handà ny fitiavany. Araka ny voalaza ao amin'ny Rôm. 5:8 hoe: "Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy" (ampitahao amin'ny Jer. 31:3). Ary azontsika atao ny mihavana amin'Andriamanitra sy ny hankasitrahana eo imasony aza, amin'ny alalan'ny finoana ny asan'llay Mpanavotra antsika.
Vakio ny 1 Pet. 2:4-6 ary ampitahao amin'ny Heb. 11:6. Inona no ambaran izany amintsika ny amin'ny fomba ahazoana sitraka amin'Andriamanitra?
Tsy misy zava-tsoa hain'ny olombelona lavo omena an'Andriamanitra raha tsy miditra an-tsehatra Andriamanitra. Noho ny fahasoavany sy ny famindrampony dia nanolotra vahaolana tamin'ny alalan'ny asan'i Kristy Izy. "Amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy" tokoa no ahafahantsika manatitra "fanati- panahy sitrak'Andriamanitra." - 1 Pet. 2:5. Kanefa "raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminy" - Heb. 11:6, ary amin'ny alalan'ny asa fanelanelanana ataon'i Kristy no hanaovan'Andriamanitra antsika ho mpino "tanteraka (...) amin'ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatintsika izay ankasitrahana eo imasony Izy, amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena." - Heb. 13:21. Isaina ho marina eo imason'Andriamanitra, noho ny asa fanelanelanana ataon'i Kristy, ireo izay mamaly Azy amin'ny finoana. Ny fahamarinan'i Kristy irery ihany no azo ekena. Ary ireo izay mamaly ny antsom-pitiavan'Andriamanitra dia isaina ho mendrika noho ny fanelanelanana ataon'i Kristy (Lio. 20:35), ovany hitovy Aminy (1 ka Kôr. 15:51-57, 1 Jao. 3:2). Manao asa fanavotana ho antsika, sy ao anatintsika Andriamanitra.
Nahoana no mampahery tokoa ny hoe manao asa fanelanelanana ho anao any an-danitra i Kristy?