Ahoana no mety hiravoravoan Andriamanitra amin'izay olombelona vovoka sy mandalo, monina eo amina planeta bitika iray eo anivon'ny tontolo lehibe iray izay heverina ho midadasika tsy misy fetra? Ahoana no mahatonga ny olombelona hanana tombam-bidy lehibe toy izany eo imason'llay Avo Indrindra, Tsitoha, Izay tsy ory na inona na inona? Lafiny roa no azo anazavana ireo fanontaniana ireo. Voalohany, amin'ny fomba ahoana no ahazoana mampifaly an'Andriamanitra? Faharoa, amin'ny fomba ahoana no ahafahan'ny olombelona mitondra fifaliana ho an'Andriamanitra, kanefa mpanota isika? Ny lafiny voalohany no lohahevitra hodinihintsika anio, ary ny faharoa hodinihintsika rahampitso.
Vakio ny Isa. 43:4; Sal. 149:4; sy ny Ohab. 15:8,9. Inona no ambaran'ireo momba ny firavoravoan'Andriamanitra ny amin'ny olony?
Hitantsika tamin'ny ampahany omaly fa mahafaly an'Andriamanitra ny olombelona satria tiany, ka mihevitra izay mahasoa indrindra azy ireo Izy, toy ny olona rehetra tia sy miahy ny hafa.
Etsy ankilany anefa, tsy mahafaly an'Andriamanitra ny olony rehefa manao ratsy. Mampianatra antsika tokoa ny ao amin'ny Ohab. 15:8,9 fa ny fanatitra sy ny lalan'ny ratsy fanahy dia "fahavetavetana eo imason'i Jehôvah", ary izao koa, "ny fivavaky ny marina no sitrany", ary "izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany". Tsy mampiseho fotsiny ireo andininy ireo fa tsy tian'Andriamanitra ny ratsy, fa asehony koa fa mahafaly Azy ny tsara. Atao mifanindran-dalana eto ny fifalian'Andriamanitra sy ny fitiavany, ny fifandraisana ety eo amin'ny fitiavan Andriamanitra sy ny fifaliany, izay hita manerana ny Soratra Masina.
Izao no voalaza ao amin'ny Sal. 146:8: "Jehôvah tia ny marina". Hoy koa ny 2 Kôr. 9:7 hoe: "ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra." Mariho aloha fa tsy milaza tsy akory ireo andininy ireo hoe: "Ny marina ihany no tian'i Jehôvah ", na "ny mpanome amin'ny fifaliana ihany no tian'Andriamanitra". Tia ny olona rehetra Andriamanitra, saingy mba hampisy heviny izay voalaza eto dia azo inoana fa izao no tiana hambara: amin'ny fomba manokana no itiavan Andriamanitra ny "marina" sy ny "mpanome amin'ny fifaliana". Misy azo anazavana izany ao amin'ny Ohab. 15:8,9: Tian'Andriamanitra ireo olona ireo sy ny hafa koa satria ankasitrahany izy ireo.
Saino ny amin'ny fifandraisana ety mampifamatotra ny lanitra sy ny tany. hany ka miditra lalina amin'ny momba antsika mihitsy Ilay Andriamanitra Mpahary Izao rehetra izao, eny mandona ny fony aza ny amintsika. Inona ny fanantenana tokony ho voarainao avy amin'izany fahamarinana mahagaga Izany, Indrindra raha mandalo ady sarotra lanao?