Vakio ny Jao. 12:32. Fomba ahoana no anehoan'izany fanambarana manaitra izany ny fahefana ananan'l Jesôsy Kristy?
Araka izay hitantsika manerana ny lesona nandritra ity telovolana ity, ny filazantsaran'i Jaona dia manintona antsika ho eo amin'i Jesôsy. Ny hany fepetran'izany anefa dia ny faniriantsika hahalala an'Andriamanitra sy hanao ny sitrapony. Manerana io filazantsaran'i Jaona io, ny olona izay nifanena tamin'i Jesôsy dia na nandray ny fahazavana ka nitombo na nanda izany fahazavana izany ka tonga jamba. I Nikodemosy, Nikodem ilay vehivavy teo am-pantsakana, ilay tandapa, ilay lehilahy teo amin'ny farihin'i Betesda, ireo olona dimy arivo nofahanana tamin'ny mofo sy hazandrano, ireo rahalahin'i Jesõsy, ireo mpitarika ara-pivavahana, ilay lehilahy teraka jamba, i Maria sy i Marta, i Pilato - ireo rehetra ireo dia nifanena tamin'i Jesôsy ary nanao safidy mahakasika ny fahamarinana sy ny fahazavana izay nentiny.
Ny teôlôjia avy aty ambany dia miantomboka amin'ny adihevitr'olombelona mba hamaritana sy handinihana ny fisian'Andriamanitra sy ny toetrany. Mipetraka ho ambonin'ilay Andriamanitra masina sy tonga lafatra ary mahalala ny zavatra rehetra ny fomba fijerin'olombelona izay tsy tonga lafatra sy tratry ny fahalavoana ary feno hevitra mibahana mialoha. Azo antoka fa hitondra ny olona ho amin'ny lalan-diso ny teôlôjia avy aty ambany, tahaka izay efa nataony tamin'ny lasa sy mbola hataony amin'ny hoavy (jereo ny Apôk. 14:1-12), rehefa hanery an'izao tontolo izao hanao fiankohofana sandoka ny fahendren'olombelona izay mitady haka ny toeran'ny fahendren'Andriamanitra.
Vakio ny Jao. 15:1-11. Inona no tsiambaratelon'ny fitomboana sy ny fahasalamana ara-panahy?
Ny fanohizana ny fifandraisana amin'i Jesôsy no tsiambaratelo. Izy no Tenin Andriamanitra, Mofon'aina, Fahazavan'izao tontolo izao, Vavahadin'ondry, Mpiandry tsara, Fananganana ny maty sy Fiainana, Lalana, Fahamarinana sy Fiainana, ary tena Voaloboka.
Tahaka ny andriamby ireo Persona ao amin'Andriamanitra telo izay iray sy ny Teniny (ny Baiboly). Raha tsy toherina Izy ireo dia hisintona antsika ho eo Aminy. "Miteny amintsika amin'ny alalan'ny teniny ny feon'Andriamanitra; handre feo maro koa isika; efa niteny anefa i Kristy fa tokony hitandrina isika ny amin'ireo milaza hoe aty Kristy na ary. Ahoana àry no hahalalantsika fa tsy marina izay ambaran'izy ireny, raha tsy entintsika eo amin'ny Soratra Masina izany?" - The Advent Review and Sabbath Herald, 3 Avrily 1888. Rehefa izay, dia tsy maintsy mampilefitra ny fomba fijerintsika manokana eo anatrehan'izay voalazan'ny Tenin'Andriamanitra isika.