Toa tsy dia tadiavin'ny olona loatra mihoatra noho ny fahasambarana ny fahendrena ankehitriny. Aleon'ny olona ho sambatra toy izay ho hendry. Mety ho sambatra sy ho afa-po marina ve isika kanefa tsy manana fahendrena avy any ambony? Mazava ny ambaran'ny Salamo fa tsia. Izao no vaovao mahafaly: tsy asaina misafidy amin'ireo roa ireo isika. Ny fahendrena avy amin'Andriamanitra mantsy no mitondra ny fahasambarana marina.
Misy ohatra tsotra iray avy amin'ny fiteny hebreo, afaka manazava izany hevitra izany. Ny teny hoe "dia" ('ashurey) dia saika mitovy amin'ny teny hoe "hasambarana" ('ashrey) amin'ny teny hebreo. Mampita hafatra lehibe izany, na dia tsy araka izany aza no hita amin'ny fitenintsika: ny "diantsika" eo amin'ny lalan'Andriamanitra dia mizotra ho amin'ny "fiainam-pahasambarana" (Sal. 1:1; Sal. 17:5; Sal. 37:31; Sal. 44:18; Sal. 89:15; Sal. 119:1). Ao amin'ny Baiboly, na ny fahendrena na ny fahasambarana dia tsy hevitra manjavozavo fa tena fanandramana iainana.
Ao amin'ny fifandraisana amin'Andriamanitra no ahitana azy ireo. Izao no voalaza ao amin'ny Sal. 25:14: "Ny fisainan'i Jehovah asehony amin'izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy."
"Isaorana anie Andriamanitra, noho ireo sary mamirapiratra nasehony tamintsika. Aoka hangonintsika hatao am-pehezany ny fanomezan-tokim-pitiavany, mba hahazoantsika mijery izany lalandava: Ny Zanak'Andriamanitra nandao ny seza fiandrianan'ny Rainy, nitafy nofo mba hahazoany mamonjy ny olombelona amin'ny herin'i Satana; ny fandresena nataony ho antsika ka namohany ny lanitra ho an'ny olombelona, sy nampahitany antsika ny toerana izay anehoan'Andriamanitra ny voninahiny; ny zanak'olombelona lavo, nasandratra avy tamin'ny lavaky ny fahaverezana, izay nandentehan'ny ota ka nampiraisina indray amin'llay Andriamanitra tsy manam-petra, ary rehefa niaritra ny fitsapana amin'ny alalan'ny finoana ny Mpanavotra, dia nampitafiana ny fahamarinan'i Kristy, ka nasandratra eo amin'ny seza fiandrianany - izany no sary tian'Andriamanitra hobanjinintsika." - DHK, t. 133.
FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra
- Ahoana no maha-loharanom-pifaliana ny Tenin'Andriamanitra fa tsy fampianarana fotsiny? Inona no ifandraisan'ny mivoky amin'ny Tenin'Andriamanitra sy ny mitoetra ao amin'i Jesôsy Kristy llay Teny (Jao. 1:1; Jao. 15:5,7)?
- Inonano mitranga rehefa minia mandà hatrany ny fampianaran'Andriamanitra ny olona (Sal. 81; Sal. 95)? Araka ny hevitrao, nahoana no izany no mitranga?
- Nahoana indraindray no toa manintona kokoa ny lalan'ny mpanao ratsy noho ny torohevitry ny marina? Izany hoe, raha ambinina amin'ny lalany ny ratsy fanahy matetika, ahoana no tokony handraisantsika izany?