Noho ny halehiben'ny famindrampony sy ny fanelanelanana ataony dia mahita fifaliana Andriamanitra na dia amin'ny fihetsika tsara bitika indrindra asetrintsika ny fitiavany aza. Azo isaina ho marina sy ho isan'ny malalan’Andriamanitra, izay honina miaraka Aminy mandrakizay ao amin'ny fitiavana tanteraka, ny tsirairay avy amintsika, amin'ny alalan'llay hany mendrika ny hotiavina sy tanteraka amin'ny fahamarinana. lo no fanantenana lehibe hahazoana fanavotana, ny asa ataon'i Kristy ho antsika any an-danitra.