"Ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra." - Efes. 6:18.
"Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona." - Lio. 21:36.
"Dia hoy ny mpanjaka tamiko: Inona ary no angatahinao? Dia nivavaka tamin'Andriamanitry ny lanitra aho aloha, dia vao niteny tamin'ny mpanjaka hoe: Raha sitraky ny mpanjaka (..) dia alefaso ho any Joda aho, ho any amin'ny tanana misy ny fasan-drazako mba hanamboarako izany." - Neh. 2:4,5.
"Fa amin'izany dia hirarvoravo amin'ny Tsitoha hianao ka hanandratra ny tavanao amin'Andriamanitra. Raha mifona aminy hianao, dia hihaino anao Izy; ary ny voadinao dia hefainao." - Joba 22:26,27.
"Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin'ny Ray isika, dia Jesôsy Kristy, Ilay Marina." - 1 Jao. 2:1.
«Ary Mosesy sy ny Zanak'Isiraely dia nihira izao fihirana izao ho an’i Jehôvah ka nanao hoe: Hihira ho an’i Jehôvah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin’ny ranomasina. Jehôvah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho. » Eks. 15:1,2.
Tahaka ny tsy nahafahan'llay mpanompo nanefa ny trosany tamin'ny tompony no tsy ahafahantsika manefa ny trosantsika amin’Andriamanitra. Tsy ho mendrika na oviana na oviana ny fitiavan’Andriamanitra isika. "Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy." Rôm. 5:8. Fitiavana mahatalanjona manao ahoana re izany! Tahaka izao no ilazan'ny 1 Jao. 3:1 Izany: "Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra, sady izany tokoa isika!"
« Fa raha mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra. Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo. » Mat. 6:14,15.