Aseho ao amin'ny bokin'i Hosea ny halalina tsy hay faritan'ny fitiavan Andriamanitra sy ny fiantrany ny olombelona. Izao no baikon’Andriamanitra tamin'i Hosea mpaminany: "Andeha janao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; fa fatra- pijangajanga miala amin'i Jehôvah ny tany." Hôs. 1:2. Aty aoriana kely, dia miresaka momba ny fifandraisan'Andriamanitra amin'ny vahoakany, amin'ny alalan'ny sary an'ohatry ny ray tia ny zanany ny Hôs. 11.