"Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?" - Rôm. 8:32.
Mofon’aina:
Rehefa nihantona teo amin'ny hazo fijaliana Izy ka nijaly noho ny fahotan'ny olo-meloka, iza no mahatombana ny fitiavan'i Kristy an'izao tontolo izao very? Tsy hay refesina ny fitiavany, mandrakizay.
Nasehon' i Kristy fa mahery noho ny fahafatesananyfitiavany. Nanatanteraka ny famonjena ny olombelona Izy; ary na tao anatin'ny ady mampatahotra indrindra tamin'ny herin'ny maizina aza Izy, dia nihanahery hatrany ny fitiavany (...). Tao anatin'ilay adim-panahy farany, rehefa notononina ilay teny toa nanakoako eran'ny voary manontolo hoe: "Vita", dia voaloa ny onitra ho fanavotana ny lehilahy sy ny vehivavy.
Tsy takatry ny saintsika ny lavany sy ny sakany, na ny haavo sy ny halalin' izany fitiavana izany. Tokony hameno ny fisainana ny fibanjinana ny halehiben'ny fitiavan'ny Mpamonjy tsy hita fetra, hanohina sy hampilefitra ny fanahy, hanadio sy hanandratra ny fihetseham-po, ary hanova tanteraka ny toetra manontolo. (...)
Voafetra ny fomba fijerin'ny olona sasany momba ny fanavotana. Mihevitra izy ireo fa ampahany kely monja amin'ny famaizan'ny lalàn'Andriamanitra no niaretan'i Kristy. Araka ny eritreriny, rehefa nahatra tamin'Ilay Zanaka malala ny fahatezeran'Andriamanitra, tao anatin'ny fijaliany sy ny fahoriany rehetra dia nanana ny porofon'ny fitiavan'ny Rainy sy ny fankasitrahany i Kristy; ka namirapiratry ny fanantenana ny varavaram-pasana teo anoloany, ary niharihary taminy mandrakariva ny voninahiny ho avy. Fahadisoan-kevitra lehibe izany. Ny nampahory indrindra an' i Kristy dia ny fahatsapany ny tsy fahafalian'ny Rainy. Lehibe loatra ny fahorian-tsainy vokatr'izany, hany ka vitsy monja no mahatakatra izany. (...)
Tsy misy teny mahalaza io fitiavana io. Mihoatra ny fahalalana izany. Lehibe ny zava-miafin'ny fahamasinana. Tokony hamelombelona, hanandratra, hambabo ny fanahintsika ny lohahevitry ny fitiavan'ny Ray sy ny Zanaka ny taranak' olombelona. Tokony hianaran'ireo mpanara-dia an' i Kristy ny haneho taratra eto an-tany io fitiavana mifono zava-miafina io, mialoha ny hiarahany amin'ny voavotra rehetra manao hoe: "Ho an 'Ray mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an 'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. " – Apôk. 5:13. — TFC, b. 2, tt. 212-215.