"Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano an'ony no anirian 'ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô. Mangetaheta an 'Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan'Andriamanitra?" — Sal. 42:1,2.
Mofon’aina:
Izay voahosotry ny hery avy any / ambony tamin'ny Pentekosta dia tsy hoe afaka tamin'ny fakam-panahy sy ny fitsapana noho izany tsy akory. Raha nijoro ho vavolombelon'ny marina sy ny fahamarinana rehetra izy, dia notafihin'ny fahavalon'ny fahamarinana izay nitady ny handroba ny fanandramana kristianina tao aminy. Voatery niezaka tamin'ny hery rehetra nomen'Andriamanitra azy izy hanatratra ny ohatry ny fahafenoan'ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin'i Kristy Jesosy. Nivavaka isan'andro izy nangataka fanampim-pahasoavana, mba hahazoany miakatra ambony kokoa hanatona hatrany ny fahatanterahana. Na dia osa indrindra aza izy, teo ambanin'ny herin'ny Fanahy Masina, dia nampiasa ny finoany an'Andriamanitra, ka nianatra ny hanatsara ny hery nankinina taminy sy hanjary nohamasinina, nohatsaraina ary nasandratra. Rehefa nilefitra tamim-panetren-tena teo amin'ny herin'ny Fanahy Masina miasa mangina izy, dia nandray ny fahafenoan'Andriamanitra Ray sy novolavolaina hampitovina Aminy.
Tsy nanova ny teny fikasana nataon' i Kristy ny amin'ny andefasany ny Fanahy Masina ho solontenany tsy akory ny elanelam-potoana. Tsy famerana avy amin'Andriamanitra akory no tsy mampikoriana ankehitriny ny haren'ny fahasoavany mankety an-tany ho an'ny olona. Raha tsy hita araka izay tokony ho izy ny fahatanterahan'ny teny fikasana, dia satria tsy ankasitrahana araka izay tokony ho izy. Raha manam-paniriana izany ny rehetra dia mety ho feno ny Fanahy. Na aiza na aiza nadraisana ny Fanahy Masina ho zavatra tsy heverina firy, dia ahitana haintany ara-panahy, haizina ara-panahy, fihemorana sy fahafatesana ara-panahy. Na oviana na oviana ifantohan'ny saina amin-java-madinika tsy misy antony, dia banga ny herin'Andriamanitra izay ilaina ho fampitomboana sy ho fampiroboroboana ny fiangonana, ary hitondra ny fitahiana hafa rehetra hanaraka azy na dia natolotra tamin'ny fahafenoany tsy voafetra aza izany. (...)
Tokony hivory hangataka ny fanampianamanokana, syny fahendrena avy any an-danitra ny fikambanan'ny Kristianina, mba hahafantarany izay drafitra hatao sy hanatanterahany izany amim-pahendrena. Tokony hivavaka amin'ny fomba manokana izy hanaovan'Andriamanitra batisa amin'ny fatra betsaka amin'ny Fanahiny ireo ambasadaoro nofidiny ho any amin'ny sahan'ny misiona. (...) — VM, tt. 45,46.