"Aoka hifaly ny fon'izay mitady an 'i Jehovah. Mitadiava an 'i Jehovah sy ny heriny, katsaho mandrakariva ny tavany." — 1 Tant. 16:10,11.
Mofon’aina:
Tsy araka ny tokony ho izy ny fandraisan'ny olona ny vavaka. Tsy fampahafantarana an'Andriamanitra izay zavatra tsy fantany izany. Andriamanitra dia efa mahalala ny tsiambaratelon'ny tsirairay. Noho izany dia tsy ilaina ny manao vavaka lava reny na mafy be. Mamaky ny ao am-pontsika ao Andriamanitra ka tokony hanao vavaka miafina izany isika, ary Izy izay mahita ny miafina hihaino ary hamaly araka ny fotoana sy ny toe-javatra mahamety izany.
Ny vavaka amin'ny fihatsaram-belatsihy dia faniratsirana. Andriamanitra tsy mihaino ary "tsy mamaly afa-tsy ny vavaka amin'ny fo" (Isa. 57:15).
Ny vavaka dia tsy manova ny asan' Andriamanitra fa mampifanaraka antsika amin'izany. Tsy manova ny fanatanterahana ny adidy izany. Tsy mahasolo ny trosa amin'ny ampahafolony ny vavaka mivaivay sy tononina matetika. Tsy manolo ny trosantsika amin'Andriamanitra na oviana na oviana ny vavaka.
Ny hery avy amin'ny vavaka dia mametraka antsika amin'ny fanatanterahana ny adidy andavanandro. Ireo fakam-panahy atrehina isan'andro dia mametraka ny vavaka ho lohalaharana. Raha tiana ny hiarovan'Andriamanitra amin'ny herin'ny finoana, dia aoka hanambara ny hetahetam-po amin'ny vavaka mangina isika. Rehefa sendra hery miasa mangina mitaona antsika hanalavitra an'Andriamanitra isika dia aoka hidodododo hangataka fanampiana avy amin'Andriamanitra. Raha tsy manao izany isika dia tsy hahomby velively amin'ny ezaka atao hanapotehana ny avonavona sy andresena ny herin'ny fakam-panahy mitarika antsika hanaram-po amin'ny ota, izay mampanalavitra antsika amin'ny Mpamonjy. Ny fahazavan'ny fahamarinana izay manamasina ny fiainana dia hampibaribary amin'izay mandray azy ny firedaredan'ny faniriana ho amin'ny ota, mitady hanapaka ny fo; ary izany dia mahatonga azy hamory ny heriny sy hampiasa ny tanjany hanoherana an'i Satana mba handreseny amin'ny fahamendrehan'i Kristy. — HT, t. 130.