"Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany. " - Mar. 1:35.
Mofon’aina:
Tsy nahitana tsy fahombiazana na lesoka ny asa fanompoan' i Jesôsy satria ny fiainany dia fiainana mahatoky mandrakariva, tohanan'ny fifandraisana tsy tapaka amin' Andriamanitra. Fantatr'i Kristy fa tsy maintsy hatanjahina amin'ny vavaka ny maha-olombelona Azy, eo anatrehan ' ny fakam-panahy mamely isan'andro, sy ireo mpitondra fivavahana tsy mitsahatra manohitra Azy. Tsy maintsy miray amin'Andriamanitra Izy, Izay andraisany hery sy faharetana ary fahatanjahana, mba ho tonga fitahiana ho an'ny vahoaka.
Nankamamian'ny Mpamonjy ny nitokana tany an-tendrombohitra mba hifandray amin'ny Rainy. Niasa taurin-kafanam-po nandritra ny andro Izy mba hamonjy ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy amin'ny fandringanana. Nanasitrana ny marary Izy, nampionona ny ory, nanangana ny maty, ary nitondra fanantenana sy fifaliana ho an'ny kivy. Rehefa vita ny asany mandritra ny andro dia miala lavitra ny tabataban'ny tanàna Izy, isan-kariva, ary mandohalika mivavaka amin'ny Rainy. Matetika no nivavaka nandritra ny alina manontolo Izy, kanefa taorian'izany dia nahazo hery sy velombelona, vonona hiatrika ny adidy sy ny fitsapana.
Iharan'ny fakam-panahy sy ny famelezan'i Satana ve ny mpanompon'i Kristy? Izany koa no nanjo Ilay tsy nahalala ota. Nitodika tany amin'ny Rainy Izy tao anatin' ny fotoan-tsarotra. (...) Nivavaka ho an'ny mpianany sy ho an'ny Tenany Izy; toy izany no nampitoviany ny Tenany tamin'ny olombelona. Olona mahery mivavaka Izy. (...)
Izay miandry an' Andriamanitra amim-panetren-tena sy miandrandra fatratra ny fitarihany sy ny fahasoavany no mpampianatra sy mpitoriteny mahomby indrindra. Miambena, mivavaha, miasà – izany no teny baikon'ny Kristianina. Fiainam-bavaka tsy mitsahatra ny fiainan'ny Kristianina marina. Fantany fa tsy ampy hiatrehana ny fitsapana sy ny ady rahampitso ny fahazavana sy ny hery anio. Ovaovan'i Satana mandrakariva ny fakam-panahy alefany. Hapetraka amin'ny toe-javatra samy hafa isika isan'andro; ary ao anatin'ireo fotoan-tsarotra ho avy Izay tsy mbola nisy tahaka azy hatrizay, dia ho voahodidin'ny loza vaovao isika, ary fakam-panahy tsy ampoizintsika no hamelezana antsika. Ny hery sy ny fahasoavana avy any an-danitra ihany no ahazoantsika manantena ny ho afaka hiatrika ny fakam-panahy sy hanatanteraka ny adidy manoloana antsika. — GW, tt. 255-258.