Indraindray mety hafindran’Andriamanitra hiala amin’ny toerana mahazatra sy mampilamina antsika isika mba ho vavolombelony. Indraindray ampiasainy hanatanterahany ny fikasany izany fiovana izany, toy ny tamin’ny nampielezany ireo vahoakan’ny tilikambon’i Babela. “‘Dia tao no nampielezan'i Jehovah azy hiala ho eny ambonin’ny tany rehetra’. Ny fomba izay nokendren'ny olona hisakanana ny fikasan’Andriamanitra ihany no nampiasain’ny Tompo hanatanterahana izany fikasany izany. ” — PM, t. 101. I Abrahama indray dia niala tamin’ny taniny ho any an-tany hafa mba ho tonga vavolombelona (Gen. 12). Niala tamin’ny fiasana teo anivon’ny mpiray monina taminy ny mpianatr’i Kristy (Asa. 3) ary niasa ho an’ny olona hafa (Asa. 8:1-4). Nametraka ny fomba hanatanterahana ny fitoriana ny filazantsara i Kristy ao amin’ny Asa. 1:8: manomboka eo an-toerana izany, eo Jerosalema sy Jodia, avy eo dia miitatra hatrany Samaria, ary farany, tonga hatrany amin’ny faran’ny tany.
Kanefa na tsy miala amin’ny tanintsika aza isika dia mbola asain’Andriamanitra manatratra ireo olona manodidina antsika hatrany. Rehefa nanomboka afa-po sy nilamina ny fiangonan’i Jerosalema dia nampielezina ny mambra tao aminy. Na tonga aza ny fanenjehana ka nianjadian’ny fahoriana ny olona, ireny toe-javatra mampalahelo ireny dia manjary fomba ampielezana ny vaovao mahafaly manerana izao tontolo izao.