Mahavariana tokoa ny tantaran'i Jônà. Ny namonjen'Andriamanitra ny Ninivita, na teo aza ny tsy fahatanterahan'ny asa fitoriana nataon'i Jônà, dia fampahatsiahivana mahery vaika fa ny anjarantsika dia ny ho fantsona ampiasain'Andriamanitra fotsiny ihany, fa izy irery no mahay mandresy lahatra sy manova ny fo. Mampahatsiahy izany fa mpitondra hafatra vonona sy manetry tena ihany, izay manaraka ny toromarika avy Aminy, no ilain' Andriamanitra.
Vakio ny lsa.6:1-8. Inona ny heviny dehibe ao amin'ireo andininy ireo?
"Mifona aminao aho, Jehovah ô, tsy izao ihany va no efa nolazaiko fony aho mbola tany amin'ny taniko? Fa ny andrao hisy toy izao no nandosirako ho any Tarsisy, satria fantatro fa Hianao dia Andriamanitra mpamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo ary manenina ny arnin'ny loza." - Jônà 4:2. Kanto re izany vavaka nataon'i Jônà izany! Sa ahoana ny hevitrao?
Fanehoana mahagaga ny fitiavana sy ny fahasoavan'Andriamanitra ny fanandraman'i Jônà tao an-kibon'ny hazandrano (jereo Jônà 2), ary ny vavaka nataon'i Jônà dia manambara fa voarainy tsara ny hafa-pitiavana avy amin'Andriamanitra. Kanefa ny fomba tsy mampino nihaonany tamin'Andriamanitra dia tsy midika fa hiova mora foana ny fomba fisainany sy ny toetra nahazatra azy fahiny, na dia nankany Ninive ihany aza izy nony farany.
Vakio ny Jônà 3. Inona no nasetrin'ny vahoaka ny fitoriana nataon'i Jônà? Inona no lesona ho antsika eto mikasika ny asa fitoriana?
Rehefa tonga ny tafiotra dia nanome tsiny ny tenany i Jônà (Jônà 1:1-12). Niseho ny fomba fijery sy ny fomba fahatakaran'ny maro mikasika an'Andriamanitra na ireo andriamanitra tamin'izany andro izany, noho ny fihetsik'i Jônà. Ninoan'izy ireo fa misy andriamanitra maro manjaka amin'ny tany samihafa, fa ny ranomasina kosa dia noheveriny ho fanjakan'ireo demonia masiaka. Araka ny fijerin'ireo mpiantsambo dia fanatitra no nilaina mba hampitony ny fahatezeran'ireo. Na Hebreo aza i Jônà dia azo heverina fa niasa mangina taminy izany finoan-drazana tamin'ny androny izany.
Vokio ny Noh. l:l; Nah. 3:1-4; sy 2 Mpanj."'17:5,6; 2 Mpanj. 19:32-37. Inona no ambaran'ireo toko sy andininy ireo momba an'i Ninive sy ny fifandraisana nisy teo amin'i Asiria sy ny Israely? Ahoana no ho nifandraisan'izany tamin'ny fanapahan-kevitr'i Jônà ho any Tarsisy?
Anisan'ireo antony mety ho tsy nampahazoto an'i Jônà ho any Ninive ny tahotra. Fahavalo natanjaka tokoa ny Asirianina, ary i Ninive no renivohitry ny fanjakany.
Tsy ny olona rehetra antsoina hamita iraka no manaiky mora foana toa an'i Abrahama. Ohatra amin'izany i Jônà (vakio Jona 1-4). Niantso an'i Jona Andriamanitra mba hiantso ny amin'ny hamelezana an' i Ninive, renivohitr' i Asiria. Io tanàna io, izay ao mandraka ankehitriny, dia teo amin'ny 885 kilaometatra teo miala an'i Jerosalema. Tsy vitan'ny nanda tsy handeha i Jona, fa nandositra tany amin'ny lalan-kafa nifanipaka tamin'izany mihitsy aza. Tonga tany Jopa izy ary nandoa vola handehanana sambo ho any Tarsisy, izay any atsimon'ny Espaina ankehitriny.
"Ny nahatonga an'i Abrahama nitalaho fatratra toy izany, dia noho ny fitiavany ireo fanahy izay ho very. Ny faniriany hamonjy ny mpanota dia nahery lavitra noho ny fankahalany ny fahotana mahatsiravina vitan'ilay tanana ratsy fanahy. Ohatra tokony halaintsika tahaka eo anatrehan'ny ratsy fanahy izany oha-pitiavana nasehon'ilay patriarka izany. Voahodidin'ny olona izay mizotra ho amin' ny fandringanana, toy ny olona tany Sodoma fahizay isika.
Vakio ny Gen. 12:1-9. Inona no ambaran'ireo andininy ireo momba ny fileferana amin'ny sitrapon'Andriamanitra, na dia rehefa toa manjavozavo aza ny lalàna miandry antsika?