"Mba tsy hisy fisarahana eo amin'ny tena, fa mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra." - 1 Kôr. 12:25.
Mofon'aina:
Ny firaisan-kina no hery fa maha-osa kosa ny fisaratsarahana. Rehefa misy firaisana eo amin'ireo izay mino ny fahamarinana ankehitriny dia mahery vaika ny hery miasa mangina avy aminy. Takatr'i Satana tsara izany. Tsy mbola nisy tahaka ny amin'izao andro izao ny fahavononany hampandamoka ny fahamarinan'Andriamanitra ka ataony izay hisian'ny fangidiana sy ny fifandirana eo amin'ireo vahoakan'Andriamanitra.
(...) Raha misy ny fotoana tokony hiraisan'ny vahoakan'Andriamanitra dia izao ankehitriny izao izany. Napetrak'Andriamanitra tamintsika ny fahamarinana voatokana ho an'izao andro izao izay natao hampahafantarina an'izao tontolo izao. Efa alefa ankehitriny ny hafa-pamindrampo farany. Lehilahy sy vehivavy maro izay handalo fitsarana no manoloana antsika ankehitriny. Manao ahoana re no tokony hitandremantsika amin'ny teny sy ny asa rehetra ataontsika mba hanahafantsika Ilay Môdely, mba hahatonga ny ohatra asehontsika hitarika ny olona ho eo amin'i Kristy. Endrey, manao ahoana no tokony hitandremantsika fatratra rehefa maneho ny fahamarinana amin'ny hafa izay mety ho voatarika handray izany noho ny fibanjinany ny fahatsorany sy ny fahatsarany. Raha miseho eo amin'ny toetrantsika ny hery manamasin'izany fahamarinana izany dia hitoetra ho fahazavana ho an'ny hafa isika ho espistily velona fantatry ny olon-drehetra sy vakiny. Tsy azontsika atao ny hanome toerana ho an'i Satana amin'izao fotoana izao ka hankamamy ny fisaratsarahana sy ny fifandirana ary ny adilahy.
Ny hisian'ny firaisana sy ny fifankatiavana eo amin'ireo mpianatra no fangatahana namonto ny vavaka farany nataon'ny Mpamonjy nialoha ny nanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana. Tsy mba ho an'ny Tenany no nanaovany fangatahana tao anatin'ny hirifirin'ny hazo fijaliana natrehiny fa ho an'ireo izay hilaozany mba hamita ny asany eto amin'izao tontolo izao.
(...) Ireo efa nahazo tombontsoa tamin'ny asan'ireo mpanompon'Andriamanitra dia tokony hikambana amin'izy ireny, araka izay fahafahana ananany, ho famonjena ireo fanahy maro. Izany no asan'ny tena mpino marina sy ny mpitandrina ary ny vahoakan'Andriamanitra.
(...) Tsy hanao tsirambina ny asa mafy mba hampahatanjaka sy hampisy ny firaisana ao amin'ny fiangonana izy ireo. Hiambina fatratra izy mba tsy hisy ny hirika hidiran'ny fifankahalana sy ny fisaratsarahana.- TFC, b. 5, U. 236,238