"Mivoaha, mivoaha amin 'ny vavahady, amboary ny lalana halehan'ny olona; asandrato ho avo ny lalambe; esory ny vato eny aminy; manangana faneva ho tazan'ny firenena." — Isa. 62:10.
Mofon’Aina: Tsy ireo foto-kevitra lehiben'ny fahamarinana sy ny adidy izay tokony hitondra ny fiainantsika ihany no asehon'ny Tenin'Andriamanitra, fa hita ao koa, ho fampaherezana antsika, ny tantaran'ireo olona maro nampihatra izany foto-kevitra teo amin'ny fiainany. (...) Ankoatra Ilay modely tokana sady tonga lafatra, dia tsy misy olona voatantara ao amin'ireo takilan'ny Soratra Masina ka azo ampitahaina amin'i Daniela mpaminany. Na teo anatrehany avokoa aza ireo zava-manintona rehetra tao an-dapan'ny mpanjaka nandritra ny fahatanorany dia tonga lehilahy mahatoky sy feno fanoloran-tena ho an'Andriamanitra izy. Nanjohy azy mandrakariva ny fakam-panahy mahery vaikan' i Satana, kanefa tsy mba nihozongozona ny toetrany (...). Nijoro tsara izy teo amin'izay mety ho nahalavo ny maro (...). Enga anie ho velona ao am-pon'ny vahoakan' Andriamanitra ankehitriny io finoana sy fahatokiana ary fanoloran-tenan'i Daniela mpaminany io. Amin' izao andro izao indrindra no Lena ilana ireo lafin-toetra mendrika ireo. (... )
Rehefa dinihina indray ny voasoratra momba ireo izay niasa sy niari-pahoriana noho ny anaran'i Jesôsy , dia tsy misy anarana mamirapiratra madio tahaka ny anaran'i Paoly, apostolin'ny Jentilisa. Ny fitiavan'i Jesôsy namirapiratra tao am-pony no nahatonga azy nanadino ny tenany sy nanana fandavan-tena. Efa hitany ilay Kristy natsangana tamin'ny maty, voasokitra tao amin'ny fanahiny ny sarin' ny Mpamonjy ka namirapiratra teo amin'ny fiainany. Tamin'ny finoana sy herim-po ary fahavononana tsy resin'ny loza na nihazohazo teo anatrehan'ny sakantsakana no nandehanany nitety tany samihafa nizara ny fahalalana ny hazo fijaliana. (...)
Mampihatra ny foto-kevitry ny finoany toy izany koa ve ireo mitonona ho mpanara-dia an'i Kristy? Aiza ireo fanandramana lalina sy velona ary masina, izay nahazatra ny olon'Andriamanitra ny nitantara azy? Moa ve nampidinina ny fanevan'ny fivavahana kristianina? Tsia; fa mbola mitoetra eo amin'izay nametrahan'Andriamanitra azy ihany izany. Namoy ny zava-drehetra ho an'i Kristy ireo olo-masina fahizay, nandala ny toe-tsainy ary nanaraka ny ohatra nasehony. Tsy latsak'izany koa no takina ankehitriny. — OHC, t. 249.