"Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin 'ny andro fanavotana. Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra; ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan 'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy." —Efes. 4:30-32.
Mofon’aina:
Ny fiainan'i Kristy dia hery miasa mangina mihamivelatra hatrany (...) ka namatotra Azy tamin'Andriamanitra sy tamin' ny fianakavian'ny olombelona manontolo. Amin'ny alalan'i Kristy, dia notafin'Andriamanitra hery ny olombelona mba hahatonga azy ho tsy afaka ho velona ho an'ny tenany samirery. (...) Fikasan'Andriamanitra ny hahatsapan'ny tsirairay fa ilaina izy hahasoa ny hafa sy hiezaka hampitombo ny fahasambaran' izy ireny.
Ny fanahy tsirairay dia voahodidin' ny rivo-piainan'ny tenany, rivo-piainana izay mety ho feno hery manome aina avy amin'ny finoana, ny herim-po sy ny fanantenana, ary hamerovero avy amin'ny fofo-manitry ny fitiavana mamy. Mety havesatra koa izany na mangatsiaka noho ny tsy fifaliana manjombona sy ny fitiavan-tena, na hitondra poizina noho ny fahotana mahafaty nankamamiana. Ny rivo-piainana manodidina antsika dia miasa amin'ny olona rehetra mifandray amintsika na tsapany izany na tsia.
Andraikitra tsy azontsika ialana izany. Ny teny ataontsika, ny asa ataontsika, ny fomba fitafintsika, ny fomba fihetsitsika ary na dia ny fijerin'ny endritsika aza, dia manan-kery miasa mangina. Ary ny zavatra tsapa avy amin'izany no iantonan'ny vokatra ho amin'ny tsara na ho amin'ny ratsy izay tsy azon'olona refesina. (...) Masom-by iray eo amin'ny rojo lavaben'ny toe-javatra eo amin'ny fiainan'ny olona izany, ary miitatra hatramin'izay tsy fantatsika. Raha manampy ny hafa isika amin'ny ohatra omentsika eo amin'ny fitomboan'ny foto-kevitra tsara, dia manome azy ireo hery hanaovana ny tsara isika. Dia anjarany indray ny mampiasa hery toy izany amin'ny hafa, ary ireo koa amin'ny hafa indray. (...)
Ny vato kilonjy iray atsipy ao amin'ny farihy dia mahatonga onja iray, dia anankiray hafa, dia anankiray hafa indray; ary arakaraka ny hitomboany no mahalehibe kokoa ny faribolana mandra-pahatrarany ny moron-drano mihitsy aza. Toy izany koa ny hery miasa avy amintsika. (...) — HF, tt. 349,350.