"Indro, avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany." - Apôk. 22:12.
Mofon’aina:
Hodinihin' i Jesôsy Tompo akaiky ny talenta tsirairay ary manantena hahazo tombony mi fanentan a amin'ny renivola nankininy tamin'ny tsirairay Izy. Tamin'ny fampietrena an'i Kristy sy ny hirifiry niaretany no nandoavany ny sandan'ny famonjena antsika, ary manan-jo hitaky ny fanompoantsika Izy. (...) Ny fahaiza-manao sy ny fotoana fanararaotra rehetra, dia efa nankinina tamintsika mba hampiasaina amim-pahendrena ka handraisan'i Kristy ny Azy sy ny tombon'izany.
Niakatra ho any amin'ny avo Ilay Tompon'ny lanitra, ary nitondra olona maro ho babo, sy nanolotra fanomezana ho an'ny lehilahy sy ny vehivavy - dia ny harem-pahamarinan'ny lanitra izay natao hotorina amin'izao tontolo rehetra izao. Ahoana no ampiasan'ny tsirairay avy amintsika ireny fanomezana sy talenta ireny? Moa ve isika tahaka ilay mpanompo tsy hendry sady tsy mahatoky ka mandevina ireo talenta ireo ao amin'izao tontolo izao, nefa tsy hitondra tombony ho an'Andriamanitra izany? Anjaran'ny tsirairay ny mampitombo amim-pahatokiana ny talenta nankinina taminy, satria hitombo ny talenta rehefa ampiasaina hahasoa ny taranak'olombelona sy ho voninahitr ' Andriamanitra.
Tokony hikatsaka ny fanjakan' Andriamanitra sy ny fahamarinany aloha ny fanahy tsirairay avy. (...) Liana amin'ny asa lehibe nahatongavan'i Jesôsy teto amin'ity tanintsika ity ny tontolo tsy lavo iray manontolo, eny, liana amin'ny famonjena ny fanahintsika koa aza izy ireo. Moa ve isika mety maty tsy hiara-miasa amin' ilay Mpanavotra antsika, izay niakatra ho any an-danitra mba hanao fanelanelanana ho antsika? Moa ve isika tsy haneho hafanam-po manokana sy fahalianana feno fanoloran-tena amin'ny asa izay notendren'ny lanitra hotanterahina eto an-tany ho tombontsoan'ny lehilahy sy ny vehivavy maro? Moa ve isika izay novidina tamin'ny ra sarobidin'i Kristy handà tsy hanao ny asa natao teo am-pelatanantsika? Moa ve holavintsika ny hiara-miasa amin'ireo anjelin'ny lanitra eo amin'ny asa famonjena ireo izay lavo? Moa ve isika tsy handeha hatrany amin'ny faran'ny tany mihitsy aza mba hahatonga ny taratry ny fahamarinana izay nomen'ny lanitra antsika hamirapiratra eo amin'ireo olombelona namantsika? - RH, 24 Janoary 1893.