« Fa raha mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra. Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo. » Mat. 6:14,15.
Mofon'aina:
Nampianatra ny mpianany hivavaka toy izao ny Mpamonjy: “Mamela ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.” Misy fepetra ny hahazoana ilay fitahiana lehibe eto. Isika ihany no mametraka izany fepetra izany. Mangataka isika mba ho araka ny fatram-pamindrampo omentsika ny hafa ny hamindran’Andriamanitra fo amintsika. Ambaran’i Kristy fa izany no fitsipika itondran’ny Tompo antsika, araka ny ao amin’ny Mat. 6:14,15. Mahatalanjona ireo teny ireo! Saingy zara raha takatra sy tandreman’ny olona izany.
Anisan’ny fahotana mpahazo ny olona indrindra, izay misy vokany manimba indrindra, ny fikolokoloana toe-tsaina tsy mpamela heloka. Firifiry no mitahiry fankahalana sy valifaty ao am-pony, ary avy eo miondrika eo anatrehan’Andriamanitra mangataka Aminy mba havela heloka tahaka ny namelany heloka? (...) Miankina amin’ny famindrampon’Andriamanitra mamela ny helotsika isan’andro sy isan’ ora isika; koa ahoana no hitehirizantsika fangidiana sy fankahalana ny mpanota mitovy amintsika? Raha mampihatra ny fitsipika ao amin’io vavaka io ny Kristianina eo amin’ny fifandraisany rehetra isan’andro, akory ny fiovana mahafinaritra ho hita ao am-piangonana sy eo amin’izao tontolo izao! Izany no ho fanambarana maharesy lahatra indrindra azo omena ho vavolombelon’ny maha-zava-misy tokoa ny fivavahan’ny Baiboly. (...)
Tian’i Paoly hahay hanavaka ny fitiavana madio tsy misy fitiavan-tena entanin’ny toe-tsain’i Kristy, amin’ny fitiavana sandoka sy jnpandrobo manjaka eo amin’izao tontolo izao isika (Rôm. 12:9,10). Fanahy maro no voafitak’io sandoka io. Takonany tsy ho hita ny fahasamihafan’ny marina sy ny diso amin’ny fiombonany amin’ireo mpandika lalàna, fa tsy mba asehony azy ireny amim-pahatokiana ny fahadisoany. Tsy ho vokatry ny fitiava-namana marina velively izany toetra izany. (...)
Na ho tsara fanahy sy mangoraka ary mandefitra mandrakariva aza ny Kristianina, dia tsy afaka hifanaraka amin’ny fahotana kosa izy. Hankahala ny ratsy izy ireo ary hifikitra amin’ny tsara (...). Hahatonga antsika hankahala ny fahotana ny toe-tsain’i Kristy, kanefa koa ho vonona hanao ny fomba rehetra hamonjena ny mpanota. — TFC, b. 5, tt. 170,171.