"Kanefa ny fanorenana mafy nataon'Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: Ny Tompo mahalala ny azy', ary koa: aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran'ny Tompo hiala amin'ny ratsy. - 2 Tim. 2:19.
Mofon’aina:
Mialoha ny hifaranan'ny asa sy ny fanombohan-kase ny olon'Andriamanitra, dia hirotsaka amintsika ny Fanahy Masin' Andriamanitra. Ho eo anivontsika ireo anjelin'ny lanitra.
Tsy hitaky amintsika velively izay zavatra tsy azontsika tanterahina ny Raintsika any an-danitra. Maniry ny hiasan'ny vahoakany amin-jotom-po Izy (...) Mila mivavaka izy ireo, (...) mba hitomboan'izy ireo ho lehilahy sy vehivavy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan' i Kristy Jesôsy.
Tsy ny mambra rehetra ao am-piangonana no mikolokolo ho an'ny tenany toetra feno fahamasinana; noho izany dia tsy takany ny andraikiny manokana. Tsy tsapan'izy ireo fa tombontsoany sy adidiny ny manatratra ilay fenitra avon'ny fahatanterahana kristianina (...). Miandrandra ny ranonorana farany ve isika, ary matoky sy manantena ilay andro tsara kokoa, rehefa hahazo hery avy any an-danitra ny fiangonana ka ho vonona ho amin'ny asa? Tsy hamelombelona na hanome hery na oviana na oviana ireo kamo izay tsy mampiasa ny hery nomen'Andriamanitra azy ny ranonorana farany.
Tena ilaintsika ny miaina ao anatin'ny rivo-piainana madio sy feno aina, izay mamelona sy manatanjaka ny fiainam-panahy. Mila hafanam-po bebe kokoa isika. Tokony ho amin-kery kokoa no itoriantsika ilay hafatra lehibe nasaina nambarantsika amin'izao tontolo izao, (...) izay hanaitra ny tsy mpino sy hahatonga azy ireny hahita fa miara-miasa amintsika ny Avo Indrindra, Izy no loharanon'ny fahombiazana sy ny herintsika (...).
Amin'ny herinao rehetra ve no iezahanao mamerina ireo ondry nania ho ao am-bala indray? Olona an'arivony maro ao anatin'ny tsy fahalalana no mety hahazo fampitandremana. Mivavaha tahaka izay tsy mbola nataonao hatramin' izay, mangataha ny herin'i Kristy. Mangataha tsilon-tsaina avy amin'ny Fanahiny mba ho feno faniriana hamonjy ny very ny fonao. Aoka hasandratra any an-danitra izao vavaka izao: "Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy; mba ho fantatra ety ambonin'ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin'ny jentilisa rehetra." — Sal. 67:1,2. — Ma, t. 212