"Koa raha misy manao aminareo hoe: Indro, aty Kristy, na: Indro, ary; aza mino hianareo." - Mat. 24:23.
Mofon’aina:
Mialoha ny fianahan'ny asan'ny fihemorana farany dia hisy fifanjevoana eo amin'ny finoana (...) mikasika ny zava-miafin'Andriamanitra. Haolana tsirairay ny fahamarinana.
Aorian'ny fitoriana ny fahamarinana ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia hampiasa ny heriny rehetra i Satana sy ny tafiny, ary hisy fisavorovoroana ao an-tsain'ny maro noho ireo feo maro miantso hoe: "Indro, atS, Kristy; indro, ary Izy. Ity no fahamarinana; manana hafatra avy amin' Andriamanitra aho; naniraka ahy hitondra fahazavana lehibe Izy." Avy eo dia hisy fanolanana ny fahamarinana efa ela sy fiezahana handrodana ny andrin'ny finoantsika. Amin'ny ezaka mafimafy kokoa no hanandratana ilay sabata sandoka sy haniratsirana an'Andriamanitra mihitsy aza, noho ny fanoloana ilay andro izay notahiny sy nohamasininy. Lalana mampahory no hanamafisana io sabata sandoka io.
Hisy famitahana maro isan-karazany hiseho amin'ny hoavy, ary mila miorina mafy isika tsy ho voahozongozona. (...) Tsy misy azo anesorana na kely monja aza amin'izay efa naorin'ny Tompo. Hampiditra fampianaran-diso ny fahavalo, toy ilay milaza fa tsy misy ny fitoerana masina. Izany dia anisan'ny hampiala ny sasany amin'ny finoana.
Hisy nofy sy fahitana sandoka, izay marina amin'ny ampahany kanefa mampanalavitra amin'ilay finoana tena izy. Efa nomen'Andriamanitra fitsipika ny olombelona hamantarana azy ireny: "Ho amin'ny lalana sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, dia olona izay tsy hiposahan 'ny fahazavan 'ny maraina. " — Isa. 8:20.
Hifangaro tanteraka amin'ny fahamarinana ny fampianarana sandoka (...) hany ka izay tarihin'ny Fanahy Masina irery ihany no hahay hanavaka ny marina amin'ny diso. Mila miezaka fatratra isika mba tsy hivily amin'ny lalan'ny Tompo. Tsy azontsika atao velively ny miala amin'ny torolalany ka hametraka ny fitokiantsika amin'ny olombelona. Notendrena hiambina sy hanara-maso amin'ny fomba hentitra ireo izay tena mino an'Andriamanitra ny anjely, ary natao hanampy antsika manokana izy ireo amin'ny fotoana rehetra ilantsika izany. Mila manatona ny Tompo amin-toky sy finoana tanteraka isan'andro isika, (...). Ireo izay tarihin'ny Tenin'ny Tompo dia hahay hanavaka mazava tsara ny sandoka amin'ny tena izy (...). — Ma, t. 192