"Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin'ny fitafian'ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy." - Mat. 7:15.
Mofon’aina:
Teo amin'ny asa niantsoan'Andriamanitra anay mivady (...) dia ny Tompo no navelanay hanapaka sy hanao ny drafitry ny asa ho anay, ary notanterahiny tamin'ny alalan'ireto mpanompo ny drafiny. Matetika izahay no nampitandremana taurin' ireo lalan-diso, naseho taminay kosa ny lala-marina sy azo antoka izay voafaritra mazava ao amin'ireo asa rehetra mifandraika amin'ny asa fanompoana nasaina nataonay. Amin' izany no hahafahako milaza marimarina fa fantatro ny famitahan'i Satana, ary fantatro ny fomba fitondran'Andriamanitra sy ny fiasany. Tsy maintsy nampiasa ny herin-tsaina rehetra izahay, niankina tamin'ny fahendrena avy amin'Andriamanitra teo amin'ny fanadihadiana natao, tahaka izany koa raha nandinika ireo hevitra nozahan-toetra ka nandalinana izany teo anatrehan'ny fahazavan'ny tenin'Andriamanitra sy ireo izay nasehon'Andriamanitra tamiko tamin'ny alalan'ny Teniny sy ny fanambarana maro, mba tsy ho voafitaka na hamitaka ny hafa. Napetrakay hofehezin'Andriamanitra ny sitrapo sy ny lalanay, ary nitalaho fatratra ny fanampiany izahay; tsy zava-poana tsy akory ny nanaovanay izany. Taona maro niainana fanandramana mangidy teo amin'ny fanaovana ny asan'Andriamanitra no nanjary nahafantarako ireo fihetsehana sandoka samihafa. Imbetsaka aho no nirahina ho any amin'ny toerana samy hafa hitondra izao hafatra izao: "Manana asa ho anao ao amin'io toerana io Aho; momba anao Aho". Rehefa tonga ny fotoana dia nampitondrain'ny Tompo hafatra ho an' ireo nahita fahitana sy nofy sandoka aho, ary tamin'ny herin'i Kristy no nitondrako ny fanambarako araka izay nasain'ny Tompo natao. (...)
Nandritra ny dimy amby efapolo taona no nihaonako tamin'ny olona nilaza fa naharay hafatra hananarana ny hafa avy amin'Andriamanitra. Niroborobo tokoa izany fitompoan-teny fantatra amin'ny fivavahana izany hatramin'ny taona 1844. Niasa tamin'ny fomba maro i Satana mba hampanjaka ny sandoka. Nisy fotoana izay nahatanterahan'ireo toe-javatra nambaran'ny fahitana sandoka, kanefa niseho ny maha-diso tanteraka izay mahakasika ny fotoana hiverenan'i Kristy sy ny fifaranan'ny androm-pahasoavana ary ireo toe-javatra ho avy. (...)
"Koa tandremo ny fihainonareo" - Lio. 8:18, izany no fampitandremana nataon'i Kristy (...) Mandiniha tsara, "Fantaro ny zavatra rehetra" - 1 Tes. 5:21. (...) Izany no toromarika avy amin'Andriamanitra, moa ve isika hanaraka izany? — Ma, t. 155