«Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana amin'izao tontolo izao dia efa lasan'ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay.» - Apôk. 11:15.
Mofon’aina:
Ny fiavian' i Kristy izay hampiditra ao amin'ny fanjakan'ny fahamarinana no aingam-panahy nanesika ny mpanoratra masina hanao ireo fanambarana kanto sy manetsi-po indrindra (...) Nanao an-kira ny hery sy ny voninahitry ny Mpanjakan'Isiraely ny mpanao Salamo hoe: (...) "Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravoravo ny tany ( ...) Eo anatrehan Jehôvah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara (...) araka ny rariny Izy ary ny firenena amin'ny fahamarinany" Sal. 96: 11- 13.
Hoy ny mpaminany Isaia: ( ...) "Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; Ary Jehôvah Tompo hamafa ny ranomaso amin 'ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin'ny tany rehetra (...)" — Isa. 25:8 (...)
Raha nadiva hisaraka tamin'ny mpianany ny Mpamonjy, dia nampahery azy (...) Izy: "Aza malahelo ny fonareo (...) Ao an-tranon 'ny Raiko misy fitoerana maro (...) fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko" - Jao. 14:1-3(...)
Ireo anjely izay nijanonjanona teo amin'ny tendrombohitra Oliva rehefa niakatra ho any an-danitra i Kristy dia namerina ny teny fikasan'ny fiverenany tamin'ny mpianany: «Iny Jesôsy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra» - Asa. 1:11. Ary izao no (...) nataon'ny apostoly Paoly (...): «Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra» - 1 Tes. 4:16. Hoy ilay mpaminany teo amin'ny nosy Patmo: «Indro Izy avy amin 'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy» - Apôk. 1:7.
Eo amin'ny fiaviany no ivondronan'ny voninahitra rehetra momba ny «fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain' Andriamanitra ny mpaminany masina hatramin 'ny voalohany indrindra». Amin'izay dia ho tapaka ilay fanapahan'ny ratsy efa naharitra ela dia ela; ka «ny fanjakana amin'izao tontolo izao» dia hanjary «fanjakan 'ny Tompontsika sy ny Kristiny, ary Izy hanjaka mandrakizay mandrakizay» -Apôk. 11:15. — Ma, t. 21