"Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon'i Jesosy Kristy eo amiko, (...) ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an'izay hino Azy hahazoana fiainana mandrakizay." - 1 Tim. 1:16
Mofon’aina:
Mpampianatra Izy [Jesôsy], Fanabeazana izay tsy mbola hitan'izao tontolo izao na reny hatrizay no nentiny. Niteny tahaka izay manam-pahefana Izy kanefa nanintona ny fitokian'ny rehetra. (...)
Namela ohatra iray tokony halaintsika tahaka ny Zanaka Lahitokan'ilay Andriamanitra tsy manam-piafarana, tamin'ny Teniny, sy ny môdely azo ampiharina nasehony. Nampianariny hankatà an'Andriamanitra tamin'ny Teniny isika, ary ny fampiharana nataony no nanehoany tamintsika ny fomba tokony hankatoavantsika an'Andriamanitra. Izany indrindra no asa tiany hataon'ny olombelona: ny hankatô an'Andriamanitra amin'ny saina, ary ny hampianatra ny hafa amin'ny fampianarana sy ny ohatra ny zavatra tsy maintsy ataon'izy ireo mba hahatonga azy ho zanaka mpankatô an'Andriamanitra.
Nanampy an' izao tontolo rehetra izao hahatakatra ny asa sy ny irak'Andriamanitra i Jesôsy. Tonga Izy mba haneho ny toetran'ny Ray amin'ity tontolontsika ity, ary rehefa mandinika ny Fiainany sy ny teny nataony ary ny asany isika dia mahazo fanabeazana momba ny fankatoavana an'Andriamanitra (…). Isika olombelona no mpiasa natao haneho ny toetran'i Jesôsy Kristy amin'izao tontolo izao.
Tonga teto amin'ny tontolontsika ilay Mpampianatra lehibe mba hitarika ny olombelona. Tamin'izany no nanandratany sy nanamasinany ny taranak' olombelona, tamin'ny alalan'ny Fankatoavana masina nasehony teo anatrehan' ire o fitakian' Andriamanitra rehetra. Nasehony fa azo atao ny mankatà ireo didin'Andriamanitra rehetra. Nasehony koa fa azo atao ny mankatô mandritra ny fiainana manontolo. (...)
Tao Aminy no nahitana ny fenitra tonga lafatra. Ny haneho izany fenitra izany ho hany ide aly tokony hotratrarina, ny haneho ny toerana tokony hisy ny olombelona rehetra (fa izay mandray Azy dia ho tonga fahasoavana noho ny nahatongavan' Andriamanitra ho nofo) -izany no antony nahatongavan'i Kristy teto amin'ity tany ity. Tonga Izy mba haneho ny fomba tokony hanofanana ny olona, hahatonga azy ireo ho mendrika ny maha-zanak'Andriamanitra azy; nasehony fa tokony hampihatra ireo fitsipika sy hiaina ny fiainan'ny lanitra izy ireo eto an-tany. - RC, t. 298.