"Raha mbola manana ny mazava hianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava." - Jao. 12:36
Mofon’aina:
Tohan-kevitra iray tsy hain'ny tsy mpino toherina ny tokantrano kristianina milamina. (...) Ary ny zanaka ao amin'ny tokantrano tahaka izany dia voaomana hiatrika ireo teny tsara lahatra mitory tsy fahatokiana. Efa noraisin'izy ireo ho fototra iorenan'ny finoany ny Baiboly, mafy orina ny fanorenany ka tsy hopaohin'ny onjan'ny fisalasalana.
Hoy i Kristy: "Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao." Nomeny talenta mba hotandremana isika. Inona no ataontsika amin'ireny fanomezana nankininy tamintsika ireny? (...) Maro no mampiasa ireny amim-pitiavan-tena. Toy ny tsy tsapany fa hotsaraina isika (...). Inona àry ny fialan-tsiny hatolotr' izy ireo amin'ilay andro lehibe noho ny tsy nampiasany ny fahaiza-manao ananany, (...) ny faharetany sy ny hafanam-pony ho an'ny asan' Andriamanitra?
Mila ny fanampian'ny lanitra isika raha tiantsika hirehitra mandrakariva ny fanalantsika. Efa maty mba hanome antsika izany fanampiana izany i Jesôsy. Izao no fanasany (...): "(...) aoka hifikitra amin'ny heriko kosa izy ka hihavana amiko; Eny, aoka hihavana amiko izy." - Isa. 27:5. Fikiro ny Sandrin'ilay Hery tsy manam-petra dia ho hitanao fa sarobidy ho an'ny fanahinao Izy, ary hamaly ny fangatahanao ny lanitra manontolo "Raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava dia hiaraka amintsika ireo anjely masina. Izao no teny natao tamin'i Josoa: Izao no lazain'i Jehôvah , Tompon'ny maro: Raha mizotra amin'ny lalako ianao sy mitandrina ny didiko, dia (...) homeko lalana ho amin'ireo mitsangana ireo ianao." - Zak. 3:7. Iza moa ireo "mitsangana ireo"? Tsy iza ireo fa ny anjelin'i Jehôvah. (...)
Araka izany, ry Kristianina ry Kristianina malal, ry ray sy reny, aza avela hitsilopilopy na oviana na oviana ny jironao! Ho ketraka ve ny finoanao na hiraviravy ny tananao? Sanatria izany! Dia hihamisokatra ho anao ireo vavahadin'ny tananan’ny lanitra, ary ho azonao atao ny hiseho eo anoloan'ny seza fiandrianana ka hanao hoe: "Indreto, izaho sy ireo zaza nomen'i Jehovah ahy" - Isa.8:18. Valisoan'ny fahatokiana manao ahoana re izany hahita ny zanakao hosatrohana ny satro-boninahitry ny fiainana tsy misy fahafatesana ao amin'ilay tanana tsara tarehin' Andriamanitra!- RC t. 168.