Miara-dalana ny fitiavana sy ny rariny manerana ny Soratra Masina manontolo. Mitaky ny rariny ny tena fitiavana marina, ary tsy misy fomba ahafahana mampanjaka sy mampihatra ny rariny raha tsy amin'ny fitiavana ihany. Tsy mahazatra antsika ny mieritreritra ireo zavatra roa ireo miara-dalana satria nosimban'ny taranak olombelona ny hevitry ny fitiavana sy ny rariny.
Vakio ny Sal. 33:5; Isa. 61:8; Jer. 9:24; Sal. 85:10 ary ny Sal. 89:14. Ahoana no anamplan'ireo andalan-teny ireo antsika hahatakatra ta mihevitra fatratra momba ny rariny Andriamanitra?
Manambara mazava ireo toko sy andininy ireo fa tia fahamarinana Andriamanitra (Sal. 33:5; Isa. 61:8). Tsy afa-misaraka ny fitiavana sy ny rariny ao amin'ny Soratra Masina. Miara-dalana ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fahamarinany, ary mahasarotiny Azy tokoa ny hampiharana ny fahamarinana sy ny rariny eto amin'ity tontolo ity.
Antony mitombina tsara, araka izany, no niampangan'ny mpaminany mandrakariva ireo toe-javatra rehetra tsy ara-drariny, anisan'izany ny lalana tsy marina, ny mizana mandainga ary ny tsy rariny sy ny fampahoriana ny mahantra sy ny mpitondratena ary ireo marefo. Manohy hatrany ny fanaovan-dratsy sy ny tsy rariny samihafa ny olona, fa Andriamanitra kosa "manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana ety ambonin'ny tany" mandrakariva (Jer. 9:23). Noho izany, hita manerana ny Soratra Masina ireo mahatoky amin'Andriamanitra izay miandrandra fatratra ny fitsarany tahaka ny zavatra tsara satria mitondra famaizana ho an'ireo mpanao ratsy sy mpampahory izany, ary mitondra rariny sy fanafahana ho an'ireo iharan'ny tsy fahamarinana sy ny fampahoriana kosa.
Raha ny marina, dia ny fahamarinana sy ny rariny mihitsy no fanorenan'ny fitondram-panjakan'Andriamanitra. Marina sy mahitsy ny fitondran'Andriamanitra feno fitiavana, samy hafa tanteraka amin'ireo fitondram-panjakana feno kolikoly eto amin'izao tontolo izao, izay matetika no mampanjaka ny tsy rariny ho an'ny fahefany sy ny tombontsoany manokana. "Mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana" ao amin'Andriamanitra (Sal. 85:10).
Ambaran Andriamanitra mazava izay andrasany amintsika. "Ry olombelona, efa naseho anao ízay tsara sy izay ilain'i Jehôvah aminao, dia izao ihany: ny hanao ny marina sy ho tia famindrampo ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena." - Mika 6:8. Raha misaintsaina ny amin'ny toetran'Andriamanitra isika, dia ny fitiavana sy ny rariny ary ny famindrampo no tokony ho ivon'izany.
Inona avy ireo ohatra maneho ny fanimban'ny olombelona ny hevitry ny rariny, eny fa na amin'izao andro izao aza? Ahoana moa no tsy hitalahoantsika ny fahamarinan Andriamanitra tonga lafatra mba ho tonga Indray andro any?