Vakio ny Jao. 9:1-16. Mona no noheverin'ny mpianatra ho anton'ny fahajamban'ity lehilahy ity, ary ahoana no nanitsian'i Jesôsy izany fiheveran-disony izany?
Nampifandraisin'ny mpianatra tamin'ny fahotana ny aretina. Mirona ho amin'izany hevitra izany ny andininy maro ao amin'ny TT (ampitahao amin'ny Eks. 20:5; 2 Mpanj. 5:15-27; 2 Mpanj. 15:5; 2 Tant. 26:16-21), saingy ny tantaran'i Joba dia tokony ho nahatonga azy ireo hitandrina fa tsy voatery hifandray mandrakariva amin'ny fahotana ny aretina.
Nataon'i Jesôsy mazava ny resaka. Tsy nolaviny ny fifandraisana misy eo amin'ny fahotana sy ny fahoriana, fa nasongadiny kosa ny fisian'ny tanjona ambony kokoa teto, dia ny hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fahasitranana. Toa mampitamberina ny tantaran'ny Famoronana ity fitantarana ity, dia ny namoronan'Andriamanitra ny olombelona voalohany tamin'ny alalan'ny vovo-tany (Gen. 2:7), rehefa nanao feta i Jesôsy mba hanomezana an'ilay jamba izay tsy nananany hatrany am-bohoka.
Manaraka firafitra mitovy ny fitantarana io fahagagana lo ao amin'ny Matio sy Marka ary Lioka: fanehoana ny olona, fitondrana ilay olona ho eo amin'i Jesôsy , fahasitranana, ary fahatsapana ny fahasitranana izay miseho amin'ny fiderana an'Andriamanitra.
Manaraka io firafitra io koa ny Jaona 9 hatreo amin'ny andininy 7. Fa ity no mampiavaka an'i Jaona: nyadihevitra momba nydikan'ilayfahagagana no mibahana, izay nahatonga fifampiresahana maharitra teo amin'ilay lehilahy sitrana sy ireo mpitondra fivavahana. Mihodina manodidina ireto hevitra mifanohitra mandeha tsiroaroa ireto io adihevitra manaitra io: ny fahotana sy ny asan'Andriamanitra etsy andaniny, ary ny fahajambana sy ny fahiratana etsy ankilany.
Tsy milaza amin'ny mpamaky ny mpanoratra, raha tsy any amin'ny Jao. 9:14, fa tamin'ny andro Sabata no nanaovan'i Jesôsy io fanasitranana io, izay raha araka ny fampianarana voatolotry ny razana, fa tsy araka ny Soratra Masina, dia fandikana ny Sabata. Araka izany, ho an'ny Fariseo dia mpandika ny Sabata i Jesôsy. Nanao tsoa-kevitra izy ireo fa tsy avy amin'Andriamanitra Izy satria "tsy mitandrina ny Sabata". Nahavery hevitra ny sasany anefa ny hoe ahoana no hahaizan'ny mpanota manao fahagagana toy izany (Jao. 9:16).
Mbola tsy tapitra akory ny adihevitra dia nipoitra sahady ny fisarahan-tsaina. Nihanazava tamin'ilay jamba ny momba ny maha-Izy an'i Jesôsy, fa ireo mpitondra fivavahana kosa nihavery hevitra sy jamba ny amin'ny hoe iza marina i Jesôsy.
Inona no tokony hambaran’io tantara io antsika momba ny fahajambana? Sao dia jamban'ny fiheverantsika manokana isika na ny fomban-drazana, hany ka tsy mahita ireo fahamarinan-dehibe eo anoloan’ny masontsika?