Ankoatra ireo famantarana manokana sy fanambarana resahin'i Jaona mba hanehoana ny maha-Mesia an'i Jesõsy, dia namplasainy koa ny fahefan'ny Soratra Masin'ny Testamenta Taloha sy ny faminaniana ao anatiny, izay nanambara mialoha ny asan'i Kristy. Manan- danja lehibe ny Testamenta Taloha, tsy ao amin'ny filazantsaran'i Jaona ihany fa ao amin'ny Testamenta Vaovao manontolo. Ny mombamomba an'i Jesõsy, Iza Izy? Avy aiza? Inona no nataony? Ary inona no hataony? - izany dia voamarina ao amin'ny Soratra Masina avokoa, izany hoe ny TT raha ny tontolon-kevitra eto.
Vakio ny Jao. 5:39,40,46,47. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika momba ny hevitr'i Jesôsy mikasika ny fahefan'ny Soratra Masina?
Tsy mitsahatra maneho ny fahefan'ny Soratra Masina i Jesôsy manerana ny filazantsara, ho vavolombelona fototra manambara Azy. Ampiasain'i Jesõsy matetika, ohatra, ireo toe-javatra nitranga tao amin'ny TT mba hanehoana ny Tenany sy ny asa ataony. Anankiray amin'izany ity manaraka ity, izay niresahan'i Jesôsy momba ny toe-javatra iray tao amin'ny Nom. 21:5-9. "Tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona" - Jao. 3:14. Tsy mampahatsiahy ilay tantara fotsiny i Jesõsy eto fa amin'ny fampiasany izany hanehoana ny tenany dia omeny antsika ny fanazavana marina ny tian'ilay tantara hambara.
Ary tsy i Jesôsy irery no nampiasa ny TT mba hanehoana ny tenany fa misy hafa nampiasa izany koa hanehoana an'i Jesôsy. Hitantsika any amin'ny toko any aloha any, ohatra, ireto tenin'i Filipo ireto: "Efa hitanay Ilay nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lalana, sy nosoratan'ny mpaminany." - Jao. 1:45.
Vakio ireto manaraka ireto: Jao. 13:18; Jao. 17:12; Jao. 19:24,28, 36. Inona no amplanarin'ireo andininy ireo momba ny fahefan'ny Soratra Masina, araka ny hevitr'l Jesõsy sy i Jaona? Inona no tokony hambaran'izany amintsika momba ny anjara tsy maintsy tànan'ny Soratra Masina koa eo amin'ny finoantsika?
Amin'izao fotoana izao, inona ireo hery miasa mangina na an-karihary izay mampihena ny finoantsika ny fahefan'ny Baiboly? Ento eo amin'ny kilasy ny valin-teninao.