Nohamafisin'i Jesôsy ny fahefan'ny Soratra Masina tao anatin'ny adihevitra iray nifanaovany tamin'ireo mpitondra fivavahana. Raha dinihina vetivety dia toa tsy ilaina ny hanaovany izany satria efa nino ny Soratra Masina rahateo ireo mpitondra fivavahana ireo. Saingy tian'i Jesôsy ny hanasongadina ny fahefan'ny Soratra Masina, na dia amin'izy ireo aza, mba hanehoana aminy hoe Iza moa Izy na toy inona na toy inona hamafin'ny fony, na manohitra mafy aza izy ireo andrao ho resy lahatra.
Maka teny mivantana avy ao amin'ny TT koa i Jaona, na milaza izany ankolaka ao amin'ny lahatsorany, mba hanondroana an'i Jesôsy ho fahatanterahan'ny teny fikasana ao amin'ny TT momba ny Mesia.
Inona no ifandraisan'ireto andininy avy ao amin'ny TV sy avy ao amin'ny TT ireto? Izany hoe ahoana no ampiasan'ny TV ireo andininy ireo mba hanambarana an'i Jesõsy?
Jao. 1:23, Isa. 40:3 ..……………………………………………………………………………………….
Jao. 2:16,17; Sal. 69:9 …………………………………………………………………………………….
Jao. 7:38, Jer. 2:13 ……………………………………………………………………………………..….
Jao. 19:36, Nom. 9:12 ……………………………………………………………………………………..
Tsy i Jaona ihany, fa i Petera, Paoly, Matio, Marka, ary Lioka koa, dia imbetsaka no manamafy fa fahatanterahan'ireo faminaniana ao amin'ny TT avokoa na ny fiainan'i Jesôsy avy any Nazareta, na ny nahafatesany, na ny nitsanganany tamin'ny maty, na ny niakarany ho any amin'ny seza fiandrianan Andriamanitra.
Kanefa na tsy nitsahatra nampiseho tamin'ny mpianany ny Soratra Masina, izay nanambara mialoha ny asany, aza i Jesôsy, oviana moa ny mpianatra vao nahatakatra fa nanondro ny fahafatesany sy ny fitsanganany amin'ny maty ny Soratra Masina? Taorian'ny nahafatesan'i Jesôsy sy ny nitsanganany tamin'ny maty ary ny nisehoany tamin'izy ireo, izay vao takatr'izy ireo izany. "Ary koa, rehefa nitsangana tamin'ny maty izy, dia tsaroan'ny mpianany fa efa nilaza izany Izy; ary dia nino ny Soratra Masina sy ny teny izay nolazain'i Jesôsy izy." - Jao. 2:22 (jereo koa ny Jao. 20:9).