Hodinihina mandritra ny herinandro:
Hodinihana mandritry ny herinandro : Jao. 1:4; Jao. 10:10; Jao. 1:12, 13; Jao. 6:61-68; Nom. 13:23-33; Mat. 4:1-4.
Tsianjery: "Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako." - Jao. 14:6
Rehefa nanontaniana ny mombamomba Azy i Jesôsy, ao amin'ny R filazantsaran'i Jaona, dia novaliany tamin'ny fomba fiteny manondro an Andriamanitra izany. Tsy isalasalana ny maha-teny manondro an'Andriamanitra ny "IZAHO", Izy ilay niseho tamin'i Mosesy tao anatin'ny roimemy mirehitra. Hoy Izy tamin'i Mosesy: "IZAHO, IZAY IZY - Eks. 3:14. Ary io Andriamanitra io ihany, ilay "IZAHO" no "tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana." - Jao. 1:14.
Hita manerana ny filazantsaran'i Jaona ny hoe "IZAHO no...". Maneho taratra izany lohahevitra izany ny tsianjery mandritra ity herinandro ity: "Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana" Jao. 14:6. Ilay "IZAHO" no Fahazavan'izao tontolo izao, Mofon'aina, Vavahadin'ondry, Mpiandry tsara ary tena Voaloboka.
Hotohizana amin'ity herinandro ity ny fanambarana momba an'Andriamanitra araka ny filazantsaran'i Jaona. Hodinihintsika misimisy kokoa koa ny lafiny ilany amin'ny toe-javatra; na dia teo aza mantsy ny porofo mihariharin'ny maha-Mesia an'i Jesôsy dia nandà Azy ny olona sasany. Antony roa no handinihantsika izany: mba tsy hanaovantsika izany fahadisoana izany, ary koa mba hisaintsainantsika ny fomba hahafahana manatratra ireo olona tandindomin-doza hanao izany fahadisoana izany koa.